airtel

Politique

25-juil-2024

Fametrahana samboadin’ny IRMAR

Nikomy sa nankaiza ireo IRD tranainy ?

Sample post image

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

25-juil-2024

solombavambahoaka miisa 8 voafidy teto amin'ny faritanin'Antananarivo avy amin'ny faritra Analamanga, Itasy ary Bongolava, lany tamin’ny lokon’ny volomboasary sy tsy miankina nisafidy ny hiara-dàlana aminy IRMAR. Ny Filohan'ny Antenimerampirenena Tokely Justin no nanasalotra azy ireo ny samboady, raha toa ka nanotrona izany ireo lohandohan’ny mpisorona hafa sy ny Birao maharitry ny antenimierampirenena niampy ireo depiote sasany mpiara-dia amin’ny fitondrana. Somary mampametra-panontaniana ihany koa andaniny hoe : nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha ny 13 jolay no efa nisalotra samboady ireo depiote IRMAR sy ny ekipany ka samboady inona ireny no mbola misy fampisalorana indray 10 andro mahery aty aoriana ? Mila atao vaindohan-draharaha ny fanompoana ny tanindrazana, ny fikarakarana ny vahoaka ary ny fampandrosoana ny firenena Malagasy, hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Tokely Justin. Asa hoe : fikarakarana vahoaka sy fampandrosoana tahaka ny ahoana moa ? Io iaraha-mahita sy iaraha-miaina io izao ny delestazy mandifotr’olona, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahapotehan’ny làlampirenena fa moa misy depiote mpomba ny fitondrana mba nisoka-bava kely akory nanaitra ny mpanatanteraka ve ? Izao ve ilay antsoina hoe : fampandrosoana ?
VOLAM-PANJAKANA SA VOLAN’NY IRMAR ?
Iza no miantoka ny fandaniana amin’ireny ? Ny seraseran’ny Fanjakana dia lanonam-panjakana no natao. Lany100% ny PAN Tokely Justin raha ny nambara ofisialy, ka ny lojikan'izay ve tsy tokony ho natao tsy nisy avakavaka ny fametrahana samboady ho an'ireo depiote rehetra voafidy tato anatin'ny faritan’Antananarivo ? Sa ireo depioten’ny fanoherana no nalailay fonosana ? Ny mety tsy niantsoana na tsy fahatongavan’ny mpanohitra tsy nampisalorana dia lasa maneho fa lanonana ara-politika ny natao omaly fa tsy tena lanonam-panjakana. Fa ny tena nanitikitika ny sain’ny mpanara-baovao dia ny hoe : nahoana no tsy tazana ireo IRMAR sasany sa andiany voalohany ihany ve izany ireto nampisalorana samboady ireto fa mbola ho avy ny hafa ?
TSY NIPOITRA IREO DEPIOTE IRMAR TRANAINY
Nanaitra ny tsy fahitana ireo depiote IRMAR tranainy omaly. Saika ireo depiote IRD vaovao avokoa ireto nosalorana samboady ireto. Tsy nisy tazana kosa ny hafa, toa an-dry Depiote Naivo Raholdina voafidy tao amin’ny Boriborintany fahadimy, Lanto Rakotomanga voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa, Andry Ratsivahiny voafidy teny Atsimondrano, Johnny Rakotoarisoa voafidy teny Ambohidratrimo, Fetra Rakotondrasoa voafidy tao Miarinarivo,… Ireo roa voalohany izay tsiahivina fa isan’ireo voahilika tsy ho mpikambana teo anivon’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena intsony satria tsy tafaverina ho Filoha lefitry ny Faritanin’Antananarivo i Naivo Raholdina ary tsy voatazona ho Kestora faharoa ihany koa Rtoa Lanto Rakotomanga. Fifandrifian-javatra ihany ve ny tsy nahitana azy ireo sa antony ara-politika ? Sa lamina anatin’ny antoko izay toa tsy dia mampino loatra? Ny hany fantatra aloha, dia nisy ireo depiote IRMAR fantatra fa tsy faly tamin’ny endriky ny Birao Maharitra na dia hafa aza ny serasera ofisialy nataony nilaza fa manaiky ny lamina eo anivon’ny antoko. Hafahafa !
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap