airtel

Politique

08-sept-2023

Fampandaniana an’I Tahina Razafinjoelina

“Vonona tanteraka ny FTT Boriborintany faha-4”

Sample post image

Efa maro ny hetsika nataon’ny FTT na Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ho an’ny boriboritany fahaè4, hoy ny tomponandraikitry ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT eny amin’ny boriboritany faha 4,

08-sept-2023

Liva Rakotoarijaona. Voalohany amin’izany ny fanetsehana ireo “antenne” na ratsa-mangaika isaky ny fokontany, hoy izy. Olona efa nananana hatramin’izay ireo. Tsy afenina fa efa be dia be ny hetsika niaraha-niasa. Tao anaty taona vitsy efa saika very fanahy mbola velona. Nony nahita ity vokatra vaovao ity moa dia taitra amin’izay dia nifanontany hoe inona no azo atao? Niezaka niantso! Nanetsika ireo fokontany ary tsy nianona tamin’ny boriboritany faha 4 fotsiny fa niezaka nanetsika ny faha 3 sy faha 6 koa. Napetraka koa ny paikady na “plan d’action” satria fifidianana mazamazana ihany ity in-dray mandeha ity. Resy lahatra hanohana ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina, izahay satria tsy mijery tsangan’olona fa mijery fotokevitra. Takian’ny firenena amin’izao fotoana izao ny fandaharam-potoanany rehefa maheno izany amin’ireo haino aman-jery isan-karazany. Tena mitombina be aminay ilay hoe “Tsotra - mora - mahomby”. Ny fahatsorana sy fahamarinana no miteraka fahombiazana. Tojo an’i Tahina Razafinjoelina ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana. Mahaliana ary mampilendalenda ilay vina mikasika ny fanabeazana. Hita izany amin’ny fomba fanazavany ny heritreriny entina hanamboarana ny fanabeazana eto Madagasikara. Faharoa moa ilay hoe fitsinjaram-bola na “décentralisation budgétaire”. Miainga amin’io ny fototry ny fampandrosoana. Tena mijery ny any ifotony io ary mahafoaka zavatra be dia be raha tsy hiresaka afa-tsy ny tsy fandriampahalemana. Mihanaka io izao. Misy ihany tomponandraikitry ny filaminana sy mpitandro filaminana any ambany ravikazo any fa ilay fitaovana enti-mihetsika hiady amin’izany mihitsy no olana! Raha tonga any ambanivohitra, noho izany, ny fitsinjaram-bola dia inoana fa hihena be izany tsy fandriampahalemana izany. Toy izany koa ny resaka fahasalamana. Fa maninona moa no mbola heno foana ny hoe andoavana vola mihoam-pampana any amin’ny hopitalim-panjakana? Tsy afaka mitsabo tena ny olona marary. Tsy afaka miteraka ny vehivavy bevohoka. Tsy manana fahaleovantena izany ilay hopitaly fa miraviravy tanana fotsiny. Tsy misy mpitsabo na fitaovana fa raha ohatra hoe tonga any ny fampitaovana amin’ny alalan’io fitsinjaram-bola io dia azo isitrahana tsara ny hopitaly any ambanivohitra any. Resaka fampianarana koa. Fa maninona moa no tsy tamana intsony ny mpampianatra any ambanivohitra any? Tsy maha velona azy ilay asa. Misy mpampianatra, am-bolana maro tsy mandray karama. Lasa malaina ny mpisehatra amin’ny fampianarana. Mila volam-panjakana any fa tsy tokony angonina fotsiny aty anaty minisitera aty. Na ireo teboka miisa 3 ireo fotsiny aza dia efa naharesy lahatra anay hanohana an’i Tahina Razafinjoelina. Tena mety amin’ny firenena malagasy ity kandida ity. Antsoinay izay mahatsapa tena ho tia tanindrazana rehetra hiditra ao anaty Firaisankinan’ny tia tanindrazana. Ny tena zava-dehibe anaty fitiavan-tanindrazana dia ny fahasarotam-piaro amin’ilay firenena sy ilay vahoaka malagasy. Mbola mpianatra aho no naheno hoe Madagasikara an-dalam-pandrosoana. Izao isika 2023, mbola an-dalam-pandrosoana ihany i Madagasikara. Mahantra mihitsy aza. Tamin’ny 50 taona lasa isika efa an-dalam-pandrosoana. Izao ve izany isika an-dalam-pandrosoana ho any amin’ny fahantrana? Fotoana hanehoan’ny malagasy firaisankina izao, hoy hatrany ny FTT Boriboritany faha 4.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap