airtel

Politique

24-sept-2024

FAMPANDROSOANA AN’AMPITATAFIKA

Hanohy ny lalany i Rado Ramparaoelina…

Sample post image

Tongotra mby an-dakana ny an-dRamparaoelina Rado sy ireo mpanolontsaina miisa 10

24-sept-2024

miaraka aminy amin’ny fampandrosoana ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Tontosa soa aman-tsara omaly Alatsinainy 23 Septambra ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana nataon’izy ireo tetsy amin’ny OVEC 67 ha, izay nosoloan-dRasolofonirina Fanomezantsoa Eric, mandataire-ny tena. Nambaran’ity farany tamin’ny mpanao gazety fa tena zava-dehibe ho an’ny Kaominina Ampitatafika ny fisian’izany mba hahafahana manohy ny asa fampandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Olona tia fampandrosoana rahateo ny Kandida Rado Ramparaoelina raha araka ny fanazavany no sady tena akaiky ny vahoaka. Ireo minia mikipy ihany hoy izy no tsy mahita na tsy mahalala ny asa fampandrosoana tanterahiny. Notsiahivin- dRasolofonirina Fanomezantsoa Eric moa fa tena nanano sarotra tokoa ny fikarakarana ny antontan-taratasy notakian’ny fanjakana tamin’ireo mpilatsaka hofidiana indrindra fa ny hetra izay nisy volabe tsy maintsy naloa tokoa. Na izany aza anefa hoy izy dia vita soa aman-tsara ihany izany noho ny Kaominina Ampitatafika mametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra ny zava-drehetra.
Pati
Legende : Rasolofonirina Fanomezantsoa Eric, mandataire-n’ny Kandida Rado Ramparaoelina sy ireo ekipa tonga teny amin’ny OVEC omaly !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap