airtel

Politique

12-déc-2024

Fampidirana mpifidy tamin’ny « ordonnance »

Ahiana ny fandikan-dalàna mihoampampana

Sample post image

Tamin'ny 29 oktobra 2018, dia nilaza ny teo anivon'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC

12-déc-2024

fa tsy azo atao intsony ny mikitika ny lisi-pifidianana rehefa mivoaka ny didy izay mamaritra ny datim-pifidianana. Araka ny voalaza ao amin'io didy io ihany dia hisorohana ny fanabotsinana ny lisi-pifidianana mialoha ny fifidianana no anton'io "gel de la liste électorale" io, raha tsiahivina. Raha io fanambarana nataon'ny HCC io no raisina, tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny nanapahan'ny CENI tamin'ny volana oktobra 2024 fa azo atao indray ny mampiditra olona anaty lisitra amin'ny alalan'ny « ordonnance » kanefa ny datin'ny fifidianana dia efa fantatra tamin'ny volana aogositra. Nampiasa ny andininy faha-42 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana moa ny CENI amin’ny fahafahana mampiditra mpifidy, ka nahatonga ny lisi-pifidianana lasa anankiroa dia ilay nifarana ny 15 mey sy ilay tamin’ny alalan’ny « ordonnance » izay tena miteraka ahiahy goavana amin’ny mety ho nikotrehana hosoka sy hala-bato goavana. Araka ny andininy faha-23 amin'ny lalàna 2018-008 mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ihany koa dia ireo olona efa voaisa (nameno fiche de recensement) kanefa tsy tafiditra anaty lisitra no azo anaovana "ordonnance". Midika izany fa tsy tokony hisy olona vaovao vao isaina omena « ordonnance » ka ampidirina anaty lisitra. Ny CENI tetsy andaniny efa nivaky raha namoaka fa 68 479 no mpifidy vaovao nampidirina tamin’ny "ordonnances", fa nisy sefom-pokontany nangataka hitondra ny lisitry olona iadidiany dia nekena, hoy ny CENI tamin’ny alalan’ny Talen’ny rafitra informatika Atoa Alberto Ranavodimby. Ohatra ny teto Antananarivo misy tsy afaka fa miasa, dia nekena, raha ny filazany. Ny sefom-pokontany ihany no nambara fa nekena. Iaraha-mahita anefa fa ny sefom-pokontany dia olom-boatendrin’ny Fanjakana ny ankamaroany, ary betsaka ireo mandray baiko politika. Misy toerana maro nesorina ny sefom-pokontany tsy nahazoan’ny kandidam-panjakana fandresena tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Dia ireny niaraha-naheno ireny, fa nisy sefom-pokontany omaly, nanao tery vay manta mba hifidianan’ny olona nahiahiana ho voakarama, toy ilay resaka olona 70 notaomina tamin’ny Sprinter teny Antohomadinika 3G Hangar,....
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap