airtel

Politique

18-sept-2023

Fanadiovana ny fifidianana

Miziriziry sy miomana hisakoroka ny volomboasary?

Sample post image

Samy manana ny safidy politika sy ny paikadiny iatrehana ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ny Antoko samihafa.

18-sept-2023

Mampahany hatrany am-boalohany ny fihetsiky ny Fitondrana ankehitriny na fony mbola teo ny Filoha teo Andry Rajoelina na amin’izao efa fitantanan’ny governemanta izao. Nisora-tena ho mpandresy, andrangaranga hery, misambotra,… Hampangaina ho fikotrehana korontana ny antso avo samihafa amin’ny tokony hitarihan’ny FFKM fifampidinihana hisorohana ny korontana. Nahoana ny antokon’ny Fitondrana no toa mialangalana sy misintantsitaka an’ireo karazana fametrahana dinika fakan-kevitra handaminan-draharaha mialohan’ny fifidianana, ny fametrahana fitsipika ara-pitondran-tena hisian’ny fifidianana tena demokratika,… Nandeha hatramin’ny fiampangana ny FFKM ho manakorontana ny efa milamina. Nandeha ny fanasoniavana ny sata ara-pitondran-tenan’ny antoko politika, fa tany amin’ny fanomanana no nahitana solontenan’ny mpitondra raha toa ka tsy dia tazana tany amin’ny fanaovan-tsonia. Nandeha ny fakan-kevitra sy dinika notarihin’ireo Raiamandreny am-panahy, fa toa tsy dia tazana firy ny avy amin’ny fitondrana. Nifamory tamina toerana manokana ireo kandida hafa sy ny mpanao politika fa namoahana miaramila zavon-tany,… Efa taratry ny hanaovana kopisoroka ve ka tsy te hamato-tena amin’ny resaka fifandaminana sy fametrahana fitsipi-pitondran-tena ara-politika mendrika? Sa mbola misalasala tsy te ho voafatotry ny sonia eo anatrehan’ny kajikajy tiana hatao sanatria? Sa kosa tsy mety amin’ny fomba fiady politikan’ny mpitondra na isan’ireo tazana tamin’ny adihevitra sy ny famolavolana azy aza ny volomboasary?
TSY VONONA HANAO FIFANINANA MADIO
Raha ny fanamby ao anatin’ilay sata ara-pitondran-tena izay notohanan’ny Vondrona Eoropeanina, ohatra, dia fikatsahana fifidianana madio, mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara, milamina, andraisan’anjara fenon’ny olom-pirenena mba ho tena ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena. Izay kandida nanaiky nanasonia azy dia manaiky fa ny fifidianana no hany lalana demokratika tokana sy ekena ahazoana fahefana; manamafy fa tapa-kevitra hanao izay tratry ny hery hahatanteraka fifidianana malalaka, mangarahara, ary mandala ny fifandeferana araka ny fenitra demokratika, lavitry ny teritery sy fampitahorana ary ny antsojay; manaiky sy manaraka ny didy aman-dalàna manan-kery,… Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny tsy tokony ho fitanilana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana; mitsipaka sy mitoroka manoloana ny fampiasana fitaovam-panjakana, fahefam-panjakana, rafim-panjakana ho an’ny tombotsoa politika, manohitra, fampitambazana sy fampanantenana tombotsoa toy ny fanomezana asa amin’ny tsenam-panjakana,… Ny fandavana ny fizarana vola, sakafo, kojakoja samihafa mba hamitahana mpifidy, manda ny hanery ankolaka na manodinkodina amin’ny endriny samihafa ireo mpiantsehatra ao anatin’ny tonjozotram-pifidianana ny mpikambana ao anatin’ny birao fandatsaham-bato,… Ampahany ihany ireo, ka fanamby iraisana ny tena hisian’ny fifidianana mba tena ho ara-drariny sy ara-dalàna. Ankilany, ny adihevitra politika mialohan’ny fifidianana, dia isan’ny fijerin’ny antoko sasany ny tokony hisiana fandaminana, fanovana rafitra mpitantana fifidianana, fanovana rafitra hitantana ny firenena mihitsy mandritra ny fifidianana,… Tsy mifanaraka amin’ny làlan-tsaina sy hanimba ny tetika efa nomanin’ny volomboasary ve ireo rehetra ka aleony mitazona an’izao? Aleony manao kopisoroka sy hamboletra ary vonona hitondra makany amin’ny sakoroka toy ny efa natao tamin’ny 2009 sy ny amboletra noleferina tamin’ny 2018?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap