airtel

Politique

05-juil-2024

Fananganana governemanta vaovao

«Tsy tokony ho sodokan’ny resaka baoritra isika!»

Sample post image

Manao antso manokana aho, hoy ny filohan’ny Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa,

05-juil-2024

hoe latsaka anaty lavaka lalina ilay firenena. Tsy misy sahy miteny mihitsy nefa hoe taiza marina no nanombohan’ity fahorian’ny malagasy ity, hoy izy? Ny fahorian’ny malagasy tompoko dia niainga tamin’ny fivarotana ireo orinasam-panjakana. Antsika ny JIRAMA, ny Telma, ny SIRAMA, ny SOTEMA, ny SOLIMA sy ny maro saingy naninona izany no niala tamin’ny malagasy dia natobaka ireo entana vahiny dia lasa tsy misy asa ilay malagasy? Lasa mifampihinana an-toerana isika. Lasa be ireo tsy an’asa dia tsy maintsy mamerina izany indostria izany isika. Terena izao isika io hoe tsy maintsy ampiharina ny vidiny tena izy amin’ny vidin-tsolika. Fantatry ny governemanta izany. Ahoana no hametrahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fahavitan-tena hamorona asa ary ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena ao anatin’ny asa fampandrosoana? Ny vahoaka manontolo no tokony handray anjara amin’ny fampandrosoana. Tsy misy tokony havakavahana ara-politika sy finoana eto fa jerena amin’ny fahatakarany ny olona tsirairay. Afaka misokatra izay governemanta vaovao eo. Ireo izao ny tsy miankina miisa 45. Hitantsika fa ny hery faharoa taorian’ny IRMAR dia ry zareo tsy miankina. Ny dikan’izay dia any amin’ny hoe ahoana no tokony atao hahatongavana amin’ny paikadim-pampandrosoana miainga amin’ny vinan’ny filoham-pirenena satria fantantsika fa mahantra ny malagasy? Tsy tokony ho sodokan’ny resaka baoritra izany isika raha hanangana governemanta vaovao fa tokony hijery hoe ahoana no fahafantaran’ilay olona ho ampidirina ao izany atao hoe malagasy sy Madagasikara izany? Inona no tena olan’ilay malagasy satria ilay olana mihitsy no tsy voazava eto? Miteny isika hoe olana ny fahantrana fa tsy haintsika akory hoe ahoana no ialana ao anatin’ilay fahantrana? Manana voka-pikarohana isika eny amin’ny oniversite. Matoa ny mpianatra iray nahazo «licence» na «doctorat» sy ny namany dia niainga tamina fikarohana teny amin’ny fiarahamonina izy. Lasa mipetraka anatina tahiry fotsiny nefa ireny fa tsy nampiharina amin’ny fiainam-bahoaka. Tsy afaka ny hanaraka an’i Etazonia na Korea atsimo sy ny tariny izay mamokatra baomba atomika sy ny sisa isika satria tsy tany miady ny eto. Ny ilaina eto dia ny hoe ahoana no ahafahana mamokatra amin’ny tany, ny rano? Ahoana no hijerena fampandrosoana miainga amin’ny sosialim-bahoaka, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap