airtel

Politique

12-déc-2023

Fanapahan-doha sy « kidnapping »

Miampanga ny mpanohitra ny Jeneraly Ravalomanana…

Sample post image

Nanitrikitrika ny jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard Filoham-panjakana mpisolo toerana omaly,

12-déc-2023

fa voafehin’ny mpitandro ny filaminana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Nolazainy mihitsy aza fa fanakorontanana politika ny resaka fanapahan-doha, fakana an-keriny,... «Io tsy fandriampahalemana lazaina fa tsy misy io, amin’izao fotoana izao lasa misy an’izany hoe manapa-doha, lasa misy hoe : tapahan’ny lohan’ny olona any ambanivohitra any, alaina ny mason’ny olona,.. Talohan’ny fifidianana dia hoe : tsy milamina ny tany fa andao hidinika,... Tany amin’iny faritr’i Betafo iny, narehitra ny asan-jiolahy, dia amin’izao any Ankazobe lasa misy «kidnapping». Tsy tongatonga ho azy ireny fa ao anatin’ilay tiana hotenenina fa mikorontana ny tany sy ny firenena, fa izaho kosa miteny aminareo fa raha ampitahaina amin’ny zava-niseho tany aloha dia tsy misy dikany izao zavatra hatrehana izao, voafehin’ny mpitandro ny filaminana izao zavatra hatrehana izao », hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Rehefa zohiana ny teniny, tena miampanga mivantana ny mpanohitra ho mamboly tsy fandriampahalemana ity manamboninahitra misotro ronono ity. Nambara fa voafehy ny fandriampahalemana kanefa misy ihany ny fanapahan-doha, misy ny fakana an-keriny izay vao tsy ela Atoa Andry Rajoelina no nilaza fa nampiasaina tamin’ny ady amin’ity faharoa ity ny rindram-baiko « Predator » novidiana 14 tapitrisa dolara,… Tsy miaro ny mpanohitra fa raha avy amin’ny fanoherana tokoa ve ny tsy fandriampahalemana tsy efa nisy mpanohitra voasambotra sy nidoboka tany Tsiafahy na Antanimora ? Fanehoan-kevitra teny amin’ny Facebook aza nisamborana sy nanagadrana olona an-taonany, ny voalaza fa fikasana hanongam-panjakana tonga dia fantatra ary efa any tsiafahy ny kolonely roa, ny olona lazaina fa niantso ny tafika hikomy tonga dia voaantso,… Koa nahoana ny resaka fanapahan-doha sy « kidnapping » no efa tanteraka sy mirongatra no tsy voasoroka ? Hatreto aloha mbola tsy nisy mpanao politika avy amin’ny fanoherana re fa voasambotra tamin’ny resaka aferana fanapahan-doha na « kidnapping». Ny re sy nanaovan’ny olona fanamarihana dia olona akaiky ny solombavambahoaka lany tamin’ny lokon’ny fitondrana na « assistant parlementaire » ny iray tamin’ireo malaza fa mpaka an-keriny tany Alaotra izay namoahana didy fampisamborana fa mbola tsy hita hatramin’izao. Tahaka izany ihany koa ilay mpiasa teo anivon’ny INSTAT maty notifirina tetsy Andohan’i Mandroseza izay nanana fifandraisana tamin’ny olom-panjakana ambony amin’izao fitondrana izao raha ny sary niparitaka,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap