airtel

Politique

06-juil-2023

Politique

Fanarenana an’i Madagasikara Mila fahaiza-manao fa tsy vitan’ny nofinofy sy makety !

Sample post image

Henjana ny miandry izay ho mpitondra manaraka eo anatrehan’ny fahapotehan’ny firenena miseho amin’ny endrika maro ankehitriny.

06-juil-2023

Tsy misy sehatra tsy mandalo krizy noho ny olana nikiky, ka isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny. Vizana ny toekarena, mandohalika ny sosialy, manjaka ny tsy fahamarinana, mandravarava ny kolikoly, simba ny soatoavina,… Efa zary lasa politikan’ny samy mandeha samy mitady, ka ny mpitondra manao ny ataony, ny vahoaka difotra ao anaty fahantrana satria ny hoanina anio tadiavina rahampitso. Ny fiharian’ny tantsaha izay 80% amin’ny Malagasy tsy voajery sy ambanin-javatra, fa fanafarana vary efa ho an-tapitrisa taonina isan-taona no lazaina fa fampandrosoana satria tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra, hoy ny Filoha am-perin’asa izay. Lojika raha mampaneno lakolosy ny tantsaha satria zara raha 2 tapitrisa hekitara ny tanimbary voatrantraka raha 35 tapitrisa hekitara no mbola azo hajariana eto; ny sehatr’asa voalohany na “secteur primaire” misy ny fambolena sy fiompiana ary ny jono izay ahitana ny Malagasy maro an’isa toa atao ambanin-javatra satria 5,1% monja tamin’ny tetibolam-panjakana no naompana amin’izany tao anatin’ny 4 taona raha ny fitarain’ny tantsaha, zara raha nitondra 0,6% tamin’ny fitomboan’ny harin-karena. Ny fifanarahan’I Malabo tamin’ny 2014 izay nosoniavin’I Madagasikara anefa mametraka, fa tokony hihoatra ny 10% amin’ny tetibolam-panjakana isan-taona no haompana amin’izany, ary hitondra 6% farafahakeliny amin’ny fiakaran’ny harin-karena. Ny vidin’ny lavanila nampanantenaina ho avo telo heny, lasa mitovy vidy amin’ny « haricot vert »,… Ny làlam-pirenena potika ny ankamaroany kanefa tsy voakojakoja, ny Jirama rendrika tanteraka, ny orinasa maro vao mba afaka kely tamin’ny valanaretina coronavirus dia vizana ao anaty valanaretina delestazy hany ka mandohalika ireo ao anatin’ny sehatr’asa faharoa na « secteur sécondaire » misy ny indostria sy ny fanodinana samihafa. Lojika raha mitombo ny tahan’ny fahantrana, tsy nitsaha-niakatra satria raha ny antontan’isa navoakan’ny Banky iraisam-pirenena, dia 74,3% ny taona 2019, niakatra 77,3% ny 2020, ary 81,1% ny taona 2022. Ahiana ho efa hananika ny 90% hatramin’ny faran’ny taona 2023, izay mamarana tanteraka ny taom-piasan’ny Fanjakana Rajoelina.
TSY MILA KITSAPATSAPA SY FIVAROTANA NOFINOFY INTSONY ! Mbola betsaka ny ambana na ato anatiny na iraisam-pirenena. Ho zava-doza raha sanatria mbola hisy krizy sy korontana politika aoriana kely. Ny vidin-tsolika voalaza fa vao migadona ny 2024 dia hiakatra,… Midika izany rehetra izany, fa tsy mila mpitondra hitsapatsapa fotsiny na hivarotra nofinofy sy makety intsony ny fitondrana, fa tena mila mpitondra manana fahaiza-manao afaka mamaha olana, mahavita mampandroso ny firenena azo refesina amin’ny fiainan’ny Malagasy, miainga amin’ny programan’asa mifanaraka amin’ny filan’ny firenena, ekipa mahomby, paikady tsara petrapetraka, mpiara-miombon’antoka matanjaka, hoenti-manana ara-bola sy ara-teknika,… Tsy ho vitan’ny olona iray ny fampandrosoana firenena, ka izay no ilàna ny fitsinjaram-pahefana izay tsy tokony hatao entam-barotra politika lava ohatran’ny misy ankehitriny, fa tena ampiharina. Mila fandaharan’asa sy programa tena tsara rafitra izay tsy hanaovana propagandy fotsiny, zavatra azo tanterahina mifototra amin’ny tena tena laharam-pahamehana fa tsy mandeha amin’ny kitaitaitra sy arakaraka ny zava-miseho eny antsefantsefany eny toy ny hoe: nalaza ny Barean’I Madagasikara tany amin’ny CAN dia handeha isika hanamboatra kianja handaniana vola tsy toko tsy forohana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap