airtel

Politique

16-oct-2024

Fanatrehana fametrahana

samboadin’ny IRMAR

Sample post image

Nanazava sy niaro tena ny eo anivon’ny CENI

16-oct-2024

Nitondra fanazavana sy fiarovan-tena teo anatrehan’ny resabe mikasika ny fanatrehan’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo ny lanonam-pametrahana samboadin’ireo depiote tany Sambava ny CENI tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetran’io Filohany io Atoa Fanahimanana Tiaray omaly. Nambara fa noho ny fanasan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena azy fa tsy misy ifandraisany amin’ny fironana politika ny anton’ny fanatrehana izany. Porofon’ny tsy fitanilan’ny CENI ny fandraisana ireo Vondrona politika samihafa izay mangataka fihaonana, hoy hatrany ny fanazavana. Amin’ny maha lanonam-panjakana azy dia nahazo fanasana, toy ireo olom-panjakana rehetra, ka nanome voninahitra izany noho ny fanasana, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza noho izany i Fanahimanana Tiaray, fa ny fiandanian’ny CENI dia tsy any anaty fanatrehana lanonam-panjakana no hijerena azy, ka nahoana hoy izy, no tsy miteny isika rehefa 26 jona fa tsy mahaleotena ny CENI ka nilazany fa fankahalana diso tafahoatra no hitenenana any amin’ny haino aman-jery. Isan’ny nitondra tsindro-paingotra tamin’io moa ny Filohan’ny Antoko Tsaratahafina Atoa Paraina Auguste. Marina fa lanonam-panjakana ary amin’ny maha fanasana saingy tsy lasa manisy sary na mahatonga ny mpanara-baovao hanana eritreritra fa misy endrika fitodihana any amin’ny loko politika ve ? Lasa miverina hatrany amin’ny fomba nahatongavan’ny Filohan’ny CENI teo amin’ny toerany na ekena aza fa ny lalàna no narahana tamin’izany satria raha tsiahivina dia isan’ireo olona natolotry ny Filohan’ny Repoblika Atoa Dama Andrianarisedo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap