2022 hatramin’ny 10 jona 2023 teo ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI omaly 13 jona 2023. Hatreto, 10 768 137 ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisi-pifidianana tamin’ny fanavaozana manontolo (Refonte) raha toa ka 10 749 934 ny fanavaozana isan- taona 2021-2022 na ny RALE (Révision Annuelle de la Liste Electorale). 18 203 izany ny tombon’isa teo amin’ny « Refonte » mitaha amin’ny ny « RALE ». Manome 79,22% amin’ny tanjona napetraka dia ny hampidirana mpifidy 13 593 006 hatreto ilay 10 768 137. Nomarihin’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo kosa, fa mbola misy 88 255 ireo mpifidy mbola tsy tafiditra mbola tsy vita “saisie” noho ny antony maro samihafa. Faritany miisa 4 amin’ny 6 no voalaza fa efa nihoatra tamin’ny RALE ny fanavaozana manontolo, ary ny 2 kosa no tsy nahatratra dia Antananarivo izay 3 633 572 ny tao anatin’ny fanaovazana isan-taona raha toa ka 3 347 743 tamin’ny Refonte, izany hoe : mahatratra 285 829 ny elanelana. Antananarivo ihany koa no ambany indrindra ny tahan’ny fisoratana anarana mitaha ny tanjona nokendrena satria 72,83% hatreto. Mbola latsaky ny RALE ihany koa ny an’I Toliara satria 1 590 111 ny fanaovazana isan-taona, ary 1 574 056 ny fanavaozana manontolo, 78,22% amin’ny isan’ny mpifidy nokendrena no tratra. Ho an’I Mahajanga kosa: 86,00% amin’ny tanjona no tratra ary izy no ambony indrindra ny taha, 1 215 969 ny “refonte” ary 1 322 851 ny RALE, izany hoe manatombo 106 882. Fianarantsoa 83,85%, RALE 1 929 855, refonte 2 047 619, nanatombo 117 764. Antsiranana 83,85%, RALE 776 354, refonte 823 488, nanatombo 47 134. Toamasina kosa 78,47% no tratra hatreto, RALE 1 604 073, refonte 1 652 380, nanatombo 48 307. Faritra 15 amin’ny 23 no nahatratra ny RALE, Sofia no ambony indrindra satria 91,17% tamin’ny tanjona, distrika 78 amin’ny 119 ihany koa no nahatratra nahatratra ny antontan’isa tamin’ny fanavaozana isan-taona.
NY 20 JOLAY NO HIVOAKA NY REJISI-PIFIDIANANA
Mbola manana 20 andro manomboka ny fotoana hanaovana peta-drindrina ny fampahafantarana ny lisitra eny anivon’ny fokontany ny olompirenena hanaovana fanamarihana sy fitarainana , ary mbola afaka miditra ao anatin’ny lisitra ho an’ireo manana karapanondro sy feno 18 taona nialohan’ny 10 jona. Ny 17 jolay vao hifarana ny lisitra, ny 20 ny volana jolay no mivoaka ny rejisim-pifidianana nasionaly. Isan’ny tazana teny Alarobia moa ireo manam-pahaizana momba ny informatika avy amin’ny Antoko TIM sy ny HFKF (Hetsika Fampiraisana ny Kristianina ho an’ny Firenena) izay voalaza fa nanao fitsirihana ny lisitra. Anisan'ny fanamarihana lehibe indrindra ny resaka fiarovana ny antontan’isa vokatry ny fikirakirana na « protection et sécurisation des données informatiques », raha ny nambaran’ny Filohan’ny CENI. Hapetraka ny arofanina ahafahana miaro ny antontan’isa mba tsy hiovaova. Andrasana indray izay mety ho setriny avy amin’ny mpisehatra ara-pifidianana.
Toky R
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.
Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy
Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha
Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.