airtel

Politique

10-oct-2024

Fanehoan-kevitr’i Paul Rabary

«Tahina no mpanohitra tokony ho tsara toerana handimby an-dRavalo!»

Sample post image

Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.

10-oct-2024

Ny fahadisoan’ny mpitarika politika, mba tsy hilazàna hoe ny fahadisoan’ireo filoham-pirenena rehetra nifandimby, hoy izy, hatreto aloha, dia ny tsy nanomana mpandimby na «relève». Ny filoham-pirenena ankehitriny mbola tsy amin’izay satria mbola anatina fe-potoam-piasana. Ny ambiny kosa toy ny filoha Ratsiraka, Zafy Albert, Ravalomanana dia tsy nisy mihitsy fanomanana mpandimby. Rehefa tsy nanomana an’izay dia manana safidy miisa 2. Na manosika ireo efa mpifaninana tao anaty taninketsa izay lasa alavitra na manondro hoe ity no mandimby ahy. Ny ilazàko hoe zanaka am-panahin’andriamatoa Marc Ravalomanana Andriamatoa Tahina Razafinjoelina dia mazava be rehefa mijery ilay fironan’ny vokatra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Betsaka ny mpanaradia ny filoha Ravalomanana no niheritreritra fa isan’ny azo atokisana mihitsy andriamatoa Tahina Razafinjoelina. Raha ny tokony ho izy izany dia na ny filoha Ravalomanana nanondro ny iray amin’ireo depiote ireo, izay voafidim-bahoaka, handimby azy na nanondro an’andriamatoa Tahina Razafinjoelina handimby azy satria izy koa efa nijoro hilatsaka ho filoham-pirenena na nanondro ny zanany handimby azy. Ilay fanondrony ny zanany handimby azy nefa, araka ny hitantsika, dia io zanany io no tsy nanao politika indrindra. Tsy mora ilay politika fa mila fanomanan-tena, mila fahavononana, mila traikefa teo amin’ilay sehatry ny politika. Nanondro ny zanany lahy ny filoha Ravalomanana ankehitriny. Izaho tsy mino fa tena vonona tanteraka amin’izany io zanany lahy io. Io moa hoe mitondra ny anaran-dray dia mandimby ny ray tsy fidiny izany izy amin’izao. Ny lojika politika nefa rehefa mijery ny raharaha rehetra nandalo dia ny olona afaka mandray ny fitantanana ny fanoherana, raha ny eto Antananarivo aloha, raha ny fifidianana nisy farany teo, dia andriamatoa Tahina Razafinjoelina. Isan’ny olona nahasarika ny mpanaradia ny filoha Ravalomanana sy ireo lazaintsika hoe mpifidy vaovao izany Tahina Razafinjoelina izany ka ny fahitako azy ao anatin’izany tontolon’ny fanoherana izany, raha ny momba an’Antananarivo manokana, Madagasikara mbola afaka resahina indray hoe ahoana ny fisian’andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, fa raha Antananarivo manokana dia tena sahiko ny milaza fa tsy misy afaka handimby an’i Ravalomanana afa-tsy i Tahina Razafinjoelina! Tafajanona tao amin’ny fifidianana solombavambahoaka tsinona ireo depiote miisa 6 lany teto Antananarivo fa tsy nivelatra ankoatran’izay. Tsy niheritreritra ny hiala tanaty heliky ny filoha Ravalomanana ireo. Tahina Razafinjoelina nefa tonga dia niakatra tary amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary tsy nilatsaka depiote. Raha nilatsaka depiote izy tsinona dia nilahatra indray tamin’ireo depiote voalaza teo. Jereo tsara ilay lojika hoe nilatsaka filoham-pirenena dia niaraka tamin’ny C11 dia avy eo nilatsaka ben’ny tanàna ka raha lany ben’ny tanànan’Antananarivo eo izy dia lasa lalana hankanesany any amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 io fiadidiana ny tanànan’Antananarivo io. Famakafakana tsy afangaroko amin’ny kasikety hafa izay ary mbola ilazàko ihany hoe tsy misy afaka handimby an’andriamatoa Marc Ravalomanana afa-tsy ity tanora vaovao Tahina Razafinjoelina ity, hoy hatrany i Paul Rabary, raha te hanabevoho ny tena fanoherana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

10-oct-2024

Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo

Card image cap
10-oct-2024

Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,

Card image cap
10-oct-2024

Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny

Card image cap
10-oct-2024

Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto

Card image cap
09-oct-2024

Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy

Card image cap
09-oct-2024

Mba misy ihany eto Madagasikara ny olona manam-pahaizana, manam-pahalalana,

Card image cap