airtel

Politique

23-janv-2025

Fanesorana mpitondra tsy mahomby

Ny any ivelany tsy mitsitsy, ny antsika « pays du moramora »…

Sample post image

Ny Malagasy ve no efa lasa zatra miaina miaina fahantrana, tsy fanjariana, kolikly, fitiavan-tena,…

23-janv-2025

ka tsy mbola mahatsapa ambana sy loza mitatao fa mionona amin’ny hoe : io aloha no misy? Ara-politika, toa samy mikajy ny tombotsoany, ka ny fahaterahan’ny hevi-baovao sy mpitarika mety manokatra ny sain’ny maro hivoatra aza mety hanahirana ny sasany. Any ivelany, rehefa tsy mety dia tsy mety, ka ny tany Frantsa ohatra dia nanongana ny governemanta Michel Barnier telo volana monja taorian’ny nipetrahany, izay ny hery farany ankavia sy ny hery farany ankavanana no niaraka nanongana ny governemanta Michel Barnier satria firenena no jerena. Ny 13 desambra no voatendry ny Praiminisitra vaovao François Bayrou saingy efa nisedra fitsipaham-pitkokisana vao tsy ela fa tafajanona. Misy zavatra andrasan’ny Firenena tsy tomombana ka vao misy mibolila dia miongotra. Ny tany Korea Atsimo, natsahatry ny antenimierampirenena tamin’ny 13 desambra 2024 teo ny Filoha Yoon Suk-yeol rehefa nametraka ny « loi martial » izay fiarovana amin’ny tafika kaominisita Koreanina Tavaratra sy ireo poizina mety hanimba an’i Korea Atsimo aza no lalan-tsaina nentiny. Tratry ny dingana fanonganana ka vao ny talata teo no niatrika ny fakana am-bavan’ny fitsarana. Rehefa ambana sy heverina fa zava-doza ho an’ny Firenena dia mijoro. Aiza ho aiza amin’izany ny parlemanta sy ireo rafitra samihafa eto Mdagasikara ? Ny fandresena miezinezina azon’i Donald Trump na dia nambara aza 4 taona tany aloha fa nanala baraka ny demokrasia Amerikana ny fanentanany sy fandrisihany ny vahoaka hananika ny Lapa Capitol dia kanefa io izy fa lany ho Filoham-pirenena indray satria motraka be ilay fitantanana na « administration Biden », ka taitra ny hambompon'ny amerikana. Ny aty Afrika dia ireny niaraha-nahita ireny, fa nijoro ny tany Mali, Burkina Faso,… rehefa hitany ny tsy fahombiazana nataon’ny mpitondra. Ohatra velona ny atsy Burkina Faso izay kapiteny nanongam-panjakana no mitondra Firenena, saingy 2 taona sy 2 volana dia azo tsapain-tanana ny fahombiazana satria Firenena no jerena. Hatramin’ny nitondran’i Ibrahim Traoré. Teo amin’ny 18,8 miliara dolara ny harin-karena faobe na PIB, saingy efa tafakatra 22,1 miliara dolara roa taona mahery kely aty aoriana, voafafa ny trosa anatiny. Efa mahavita mandà ny fampindramana ataon’ny FMI sy Banky Iraisam-pirenena sy sahy milaza fa tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra i Afrika. Niteny an’izany ny Filoha Malagasy ankehitriny tamin’ny 2018 ary nilaza hampindram-bola an’i Comores fa aiza isika izao. Ny an’olona tena misy paikady sy lamina mahomby hivoaran’ny Firenena, fa tsy kabary hanaovana « marketing politique » hakana fon’ny mpifidy. Ny eto amintsika kosa toa mijanona ao anatin’ilay hoe : « Pays du moramora », tena tsy taitra, milamina be, zarina miaina ao anaty fahantrana sy tsy fanjariana, terena hanaiky ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, Fanjakana tsy vonona hijery ny soa ho an’ny Firenena fa hitady tombotsoa sy hiaro fahefana amin’ny basy,… Tena mila Revolisionina !
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-janv-2025

Tsy hanaiky hatramin’ny farany isika!», fomba firesaky ny mpanohitra rehefa mandeha ny hosoka

Card image cap
23-janv-2025

tanindrazana toa an’i Trump ny mpitondra antsika»

Card image cap
23-janv-2025

Namory ireo Lehiben'ny Fileovana manerana ny Faritra rehetra nahitana ireo Prefe sy Lehiben’ny distrika ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian.

Card image cap
23-janv-2025

Toy ny tamin’ny sabotsy 18 janoary teo, natao andrimaso indray ny depiote sady kandida

Card image cap
23-janv-2025

Haverina ny fifidianana any Andohanilakaka araka ny didin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny

Card image cap
23-janv-2025

Efa fantatra fa tsy omen’ny fitondràna ny fanoherana mihitsy ny maro an’isa tamin’ny fifidianana

Card image cap