airtel

Politique

15-juil-2024

Fanimbazimbana

an’Ambohitrandriananahary Karana indray taorian’ireo sinoa…

Sample post image

Taorian’ny fifanolanana tamin’ireo teratany sinoa nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2023

15-juil-2024

tany ho any mihitsy dia teratany asiatika hafa amin’ilay fiantson’ny malagasy mahazatra hoe karàna indray ankehitriny no voalaza fa mikatsaka hanangana toeram-pivavahana na «mosquée» any Ambohitrandriananahary, vohitr’Iharanandriana, kaominina Alasora, na koa hoe mikasa hanimbazimba an’Ambohitrandriananahary, raha ny fampitam-baovao voaray tamin’ireo taranak’andriana sy tompom-pasana eny an-toerana ny sabotsy teo. Efa nazavain’ny ben’ny tanànan’Alasora sy ny mpanolontsain’ny tanàna niaraka taminay mihitsy nefa, hoy ireto taranak’Andriana sy tompom-pasana ireto, fa tsy natao hamidy ny tany eny an-toerana. Tanindrazan’ny merina sy tanindrazan’i Madagasikara ny toerana, hoy ny taranak’Ambohitrandriananahary, Rakotoniaina Rodolph. Tsy ekenay tompom-pasana sy ny taranak’Andriamananintany ary ny foko Andriamboniolona, noho izany, hoe amidy ity toerana ity. Na misy olona mpiray tanindrazana aminay aza ka mikasa hanao izany dia atolotray ny lalàna. Aleo ny lalàna no hanasazy azy fa izahay tsy hiady aminy. Toera-mana-tantara ity. Fasan’Andriamananintany, zandrin’ny mpanjaka Andriamanelo, zanaky ny mpanjaka vavy Rangita lahiaivo io. Avaratra atsinanany no misy ny Printsy Rakotovahiny, izay rahalahy na «demi-frère» an’ny mpanjaka Radama voalohany sy ny vadiny, printsintsy Rafara, ao amin’ny fitomiandalana mifandraika amin’io. Izay no tsy azo anaovana adalana sy mamoafady eto. An’ny taranak’Andrianamboniolona daholo ireo fasana rehetra hitanareo ireo. Andriankafazaka tsinona, zanak’Andriamboniolona tamin’ny vadiny fahatelo, no niverina tety niaraka tamin’ny taranany dia nanao ireo fasana ireo. Andrianamboniolona sy ny taranany no eto amin’ity tapany ambony ity fa ato amin’ny ambany avaratra kosa no misy an’Andriandranando, satria Andriandranando zaodahin’Andriamanelo sy Andriamananintany. Izy no nitondra ny taranany nanambady tety dia nampisy ilay fifanefena vy, izay nahatonga ny hoe Ampanefy satria manefy vy. Izay no nisian’ny lefona sy fiadiana voalohany avy ety Alasora. Tsy nanome alalana ireo olona ireo hanao ho toerana manokana na «propriété privé» ity toerana ity ny ben’ny tanàna, raha ny nambarany. Alalana avy amin’ny filohan’ny repoblika voalohany, Philbert Tsiranana, no nahazoana ny didim-pitondrana nahafahana nanangana an’ity toerana ity. Ny filohan’ny filankevitra ambonin’ny rafitra tamin’izany fotoana, Itompokolahy René Rakotobe, no isan’ny nitarika an’izay, nangataka tamin’ny filoha Tsiranana hananganana ny tsangambaton’ny mpanjaka Andriamananintany satria ny an’ny zanany efa vita tany Ambohitrombihavana ny 8 oktobra 1955. Nanaiky an-tsakany sy an-davany ny filoham-pirenena dia nanome alalana hamakiana ity lalana ity niaraka tamin’ny minisitra Eugène Lechat sy ny injeniera Ratsimba Etienne. Nanao ny fanekena Itompokolahy Rajao Nicolas, izay tomponandraiki-draharaha tamin’izany. Ny Mpitandrina Ranaivoravelona Joseph zanany na Pasitera Rabetafika no isan’ny niara-nanao sonia. Izao nefa misy olona miana-kendry hamefy ny toerana fa hoe hanao zavatra eo. Miantso ny minisiteran’ny atitany, ny minisiteran’ny kolontsaina, ny fitondram-panjakana moa handray ny andraikiny manoloana ny zava-misy, hoy hatrany izy ireo, satria efa tafiditra anaty vako-pirenena ity toerana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap