tany amin’ny Kaomisaria tany Creteil, rehefa notorian’i Andry Rajoelina sy ny Fitondrana Malagasy ho manao asa fampihorohoroana sy nanaparitaka horonantsary izay mitarika olona ho manao fampihorohoroana. Taoriana fihetsiketsehana teo anoloan’ny Masoivoho Malagasy tao Frantsay ny novambra 2022 no anton’ny fitoriana. Taitra ny manam-pahefana Frantsay, saingy rehefa nandeha ny famotorana dia hitan-dry zareo fa ohatran’ny tsy mitombina ilay filazana fa manao asa fampihorohoroana. Voatazona tontolo andro, avy eo navotsotra, ary nody. Teo dia efa tsy nahomby ny fitorian’i Andry Rajoelina sy ny ny Fitondrana Malagasy, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Ny Fanjakana Malagasy no nambarany fa naniraka ny Procureur taty Antananarivo hametraka ny fitoriana ho manao asa fampihorohoroana. Nandeha ny fitsarana, ary nanazava ny fiarovan-tena ny voatory. Efa ny janoary 2024 no nivoaka ny didin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, 5 febroary no nanao fampiakarana, hoy ity farany. Efa nivoaka moa ny didy tamin’ny ambaratonga voalohany ka natsahatra ny fanenjehana anay satria hitan’ny Fitsarana tsy miangatra Frantsay fa tsy nisy velively ny heloka izay lazaina fa nataonay, hoy hatrany io mpitsara teo aloha izay nenjehin’ny Fanjakana Rajoelina io. Nahita fa natsahatra ny fanenjehana anay dia nikoropaka be nanao fampiakarana i Andry Rajoelina tenany, hoy ny voatory. Naka mpisolovava, ary maniraka ny solontenan’ny Masoivoho hisolo tena azy. Volany sa volam-bahoaka no hiarovana azy hanaramana mpisolovava mety 50 000euros ? Inona no ataon-dRtoa Pelandroy Esperance mpanolontsain’ny masoivoho hisolo tena an-dRajoelina ? hoy i Fanirisoa Ernaivo. Tsy ny governemanta no manao fampiakarana fa Rajoelina tenany, ary mangataka onitra. Ny fampanoavana na ny Ministère publique (procureur), ny mpitory izay nangataka onitra raha nangataka onitra, ny voapanga raha tsy afa-po no afaka manao fampiakarana, hoy izy. «Dénonciation abusive» fa tsy tena fitoriana, natoritory ry zareo dia tsy nangataka onitra, niesona, tsy mahalala fa tokony hangataka onitra rehefa nandeha ny fitsarana tamin’ny volana septambra, raha ny filazan’i Fanirisoa Ernaivo. Olona ivelan’ilay Fitsarana sy ivelan’ilay raharaha no nanao « appel » ka mazava ho azy fa tsy azo raisina fa tsy mitombina, kanefa mbola mandany volam-panjakana, hoy ity farany. Natsahatra ny fanenjehana anay, tsy misy ny heloka, ary mbola nitonantonana ny mpisolovava an-dRajoelina androany fa eo vao hangataka onitra, ka rehefa tsy nangataka onitra sy nitory tamin’ny ambaratonga voalohany dia tsy afaka mangataka onitra intsony amin’ny fampiakarana, hoy hatrany i Fanirisoa Ernaivo. Andrasana ny mety ho setriny avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny fitondrana raha hisy.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…