airtel

Politique

09-juil-2024

Faniry Razafimanantany

«Mbola tsy hilamina ny antenimierampirenena!»

Sample post image

Raha niteny ny filohan’ny repoblika hoe hiditra amina 5 taona vaovao indray izy ireo ka ireto

09-juil-2024

sy ireto ny vina na hoe andry miisa 3, niteny koa izy tany Toamasina hoe izay tsy maharaka ny hazakazaka dia tsy misy fialan-tsiny azo atao intsony, midika izany fa hametraka fepetra vaovao izy, hoy ny mpanao politika sady mpamakafaka, Faniry Razafimanantany. Ao anatin’ny ametrahany fepetra vaovao, hoy izy, ny olona hiaradia aminy aty anivon’ny antenimieram-pirenena. Ireto tsy miankina ireto ve izany, izay nisafidy hiaradia amin’ny fitondram-panjakana, izay tsy noresahana tamin’ny vahoaka izany, inoana marimarina kokoa nandritry ny vanim-potoanan’ny fifidianana, dia handray ny fepetra napetrak’ilay fitondram-panjakana sa ry zareo no mametraka fepetra amin’ilay fitondram-panjakana iarahany miasa? Sahirana ilay solombavambahoaka miaradia amin’ny fitondrana. 80 no isan’ny azy tamin’ny vokatra vonjimaika. 84 tato amin’ny HCC. Raha anaty solombavambahoaka miisa 163 izany dia tsy hananana fahamarinan-toerana politika. An-jatony mahery ny depioten’ny fanjakana tamin’ny 2019 fa tsy nanana fahamarinan-toerana mihitsy tao amin’ny antenimieram-pirenena. Inona no tsy nandalo tao? Nandalo tao ny karazana fifandonan’ny minisitra, ny governemanta, ny depiote, indrindra, ilay miaradia amin’ny fitondram-panjakana. Nandalo tao izany hoe fandavana fifanatrehana na «face à face», ny fametrahana adihevitra taorian’ny fanaovana tatitry ny asa vita, ny fitsipaham-pitokisana na «motion de censure». Ny solombavambahoaka maro an’isa miaradia amin’ny fanjakana no nitsipaka ilay governemanta tamin’izany fotoana izany. Ireny aza no azony an-jatony mahery, ity 80 namboamboarina mbola hiara-dalana amin’ireto mahaleotena ireto. Ny tsy miankina mety hiaraka aminao androany noho ny antony samihafa, mety misy tsindry any ambadika any na mety misy kajy atao fa ho voasakanao ireo rahampitso sy rahafakampitso satria hanana vondrona parlemantera manokana. Ho sahirana ireo tsy miankina ireo amin’ny resaka valimbabena ho an’ny vahoaka. Maninona moa no tsy nifidy ny kandidan’ny IRMAR avy hatrany ny vahoaka raha tena ny fiarahana amin’ny fitondrana no notadiaviny? Mila feo hafa ny vahoaka matoa nifidy tsy miankina nefa dia naleon-drizareo nisafidy ny hiaraka handoko amin’ny fitondram-panjakana indray. Tsy hanana fahamarinan-toerana na oviana io antenimieram-pirenena io na dia 21 aza no isan’ny depiote lany tamin’ny anaran’ny Firaisankina. Azo iasana tsara io ho an’ny fanoherana. 16 talohan’izay no lany tamin’ny anaran’ny Tiako i Madagasikara. Herintaona tsy ahatongavan’ny fifidianana filohan’ny repoblika vao nisy rivotra hafa nitsoaka teo anivon’ny antenimieram-pirenena. 7 desambra 2022 ny «motion de censure». Depiote miisa 105 no nanao azy. Taorian’izay nisy fikasana fanonganana mpikamban’ny birao maharitra fa tsy tanteraka. Tsy ny habetsaka na hakelin’ny solombavambahoaka mpanohitra ao Tsimbazaza izany no zava-dehibe fa misy rivotra mitsoaka ao. An-jatony ry zareo tamin’izany. Ny TIM 16 fa afaka nifanehitra tsara. Izao mbola voatazina ho 16 ny TIM fa miampy ny HVM sy Pro Siteny manome ilay 21. Raha tena manao kilaolao demokratika ilay fanjakana hoe manaja ny fenitra demokratika aorian’ny fifidianana filoham-pirenena, ny fifidianana solombavambahoaka dia haingana be amin’ny fametrahana ny sata mifehy ny mpanohitra miainga ao amin’ny antenimieram-pirenena. Betsaka ny asa miandry io antenimieram-pirenena io. Fantantsika ny lalàna mifehy ny tetibola. Tsy nasiana fanitsiana. Fantantsika ny lalàna mifehy izany tany am-boalohany na LFI. Nisy ny atao hoe «coupe budgétaire» na fanapahana tetibola. Sahirana izany ilay fitondram-panjakana. Izao isika mbola mila vola amin’ny sehatra iraisampirenena. Misy sonia be dia be ho atao ao. Misy fifanatrehana na «face à face» atao ao. Nandà fifanatrehana foana io governemanta io. Raha mbola io praiminisitra io no mbola atolotry ny maro an’isa eo dia mbola vao mainka hiha enjana ny fifanatrehana na «bras de fer» satria na ny depiote miaradia amin’io praiminisitra io aza efa nisy nitsipaka azy tamin’ny 2022. Izany rehetra izany no manambara hoe mbola tsy hilamina ny antenimieram-pirenena, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap