nasondrotry ny tany, araka ny fanambarana goavana tao anatin’ny atrikasa tetsy amin’ny La Rotonde Besarety omaly. Saika tazana tao anatin’io avokoa ireo oloben’ny lalàna teto amintsika, raha tsy hilaza afatsy ny Profesora Raymond Ranjeva, ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha Johnny Andriamahefarivo, ny Praiminisitra teo aloha Jacques Rabemananjara, ny minisitry ny fiarovana teo aloha Désiré Ramakavelo,… Nisongadina fa tena miharihary ny tsy fanajana lalàna, ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny tsindry samihafa atao amin’ny mpitsara, ny fampiasan-kery,… izay mamotika ny firenena. “Ny ahiahy tsy hihavanana, ary aoka hazava fa tsy ny fanapahana noraisin’ny HCC tamin’ny fanonganana an-dRtoa Christine Razanamahasoa no anton’ny atrik’asa, fa ny fampiasana ny lalàna sy ny tany tan-dalàna hoentina manimbazimba ny zon’olombelona ny rariny sy ny marina ary ny hintsiny, ny fahefan’ny fitsarana sy ny mpitsara hanapaka araka ny fitsipi-dalàna, ny eritreritra sy foto-tsaim-pandinihan’ny mpitsara dia lasa tandra vadi-koditra ny mpitondra Fanjakana sy ny mpitsara sasany ary ny vahoaka tsy miraharaha ka izay fithetsika izao dia adika fa mankasitraka izao fihetsika izao hatramin’izay ka hatramin’izao”, hoy ny Profesora Raymond Ranjeva. Nomarihiny fa ankehitriny indrindra fa tato ho ato dia miitatra ny fahatezerana eo anoloan’ny fihomboan’izany fanimbazimbana izany. Maro mantsy ireo mpamiravira lalàna toy ny mpitsara, mpisolovava, fiarahamonim-pirenena sy ny maro hafa fa toa ady varotra tsy misy tahotra sy henatra intsony ny fandaminan-draharaham-pitsarana, ka tsy afaka ny hody tsy mahita izany toe-javatra mahatsiravina izany ny mpahay lalàna, mpampianatra lalàna,... izay nametra-panontaniana hoe: mbola misy ilàna ny fampianarana lalàna intsony ve eto Madagasikara?
RATSY FIAFARA NY MPITONDRA MAMPIASA HERY
Nahitsy noho izany izy fa rehefa tsy fampiharana ny araka ny tokony ho izy ny lalàna no itodihana handravonana ny olana fa tsy vitan’ny raharaham-pihavanana intsony dia rava ny fifampatokisana, ka ny fampiasan-kery sisa mandaitra hamerenana ny fiarahamonina amin’ny filaminana, araka ny fahitan’ny fitondrana azy. Nahitsy anefa izy ireo naneho, fa misy fetrany ihany anefa ny fitondrana miorina amin’ny fampiasan-kery ary sarotra honerana, ary ratsy fiafara eo amin’ny tantara, henjana ny fitsimbadihany. Ny fifandrafiana misy eo amin’ny vahoaka dia lasa fifandrafiana lovain-jafy, ary vokatry ny fandrosoana ara-toekarena dia giazan’ny mpitondra sy ny mpomba azy fa indrindra fa ny vahiny izay mandroba firenena, ka hentitra ireto mpahay lalàna sy avara-pianarana ary vato nasondrotry ny tany fa izay no ijoroany. Mijoro mba tsy hanana ratsy sy hisorohana ny atambo ho an’ny firenena, hoy ny Pr Raymond Ranjeva. Mijoro izy ireo izay solontena ihany, fa maro ireo mpitsara ao an-damosiny no tonga saina eo anatrehan’ny tsy fanajana ny tan-dalàna. Raha mampahatsiahy ny tantara, dia fahatongavan-tsaina avy amin’ireo olon’ny lalàna toy ny Filohan’ny HCC tamin’izany no isan’ny nampitsimbadika ny tantara tamin’ny raharaha 2002 ka heverina fa tsy tongatonga ho azy izao eo anatrehan’ny endrika Fanjakana tsy tan-dalàna miseho amin’ny endriny maro ankehitriny.
Toky R
Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",
Mafampana ny toe-draharaha ao Toliara amin’izao fotoana izao noho ny raharaha voka-pifidianana.
Tsy nitsitsy ny teo anivon’ny Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG) tao anatin’ny fanambarany
Miantso ny CENI mba handala sy hanaja ny fahamarinana ny Pr Joseph manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana