airtel

Politique

01-août-2023

Politique

Fanohanan’ny Japoney ny fifidianana Fiara 10 sy moto 148 mitentina 4,5 miliara Ar

Sample post image

Nanao fanambarana ny hanohana ny fampandehanan-draharaham-pifidianana eto Madagasikara ny Governemanta Japoney omaly 29 jolay 2023 teny amin’ny foiben’ny CENI Alarobia,

01-août-2023

izay manomboka amin’ity taona 2023 ity. Tamin’izany no nanolorany lelavola mitentina 4.500.000.000 Ariary izay natokana hividianana fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy moto cross 148 ho ampiasaina eo anivon’ny CENI foibe sy ireo rantsamangaikany. Ny fahatsapan’ny Governemanta Japoney ny filàn’ny CENI eo amin’ny lafiny fitaterana amin'ny fanomanana sy ny fanaraha-maso ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika 2023 no nanosika azy ireo hanao izany fampitaovana izany, hoy ny fanazavana. Izany no hiantoka ny fampandehanan-draharaha rehetra amin’ny zotram-pifidianana. «Hihatsara kokoa ny fanatanterahan’ny CENI sy ireo ratsamangaikany ny asa nohon’ny fisian’ireto fitaovam-pitaterana izay mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Hanampy azy ireo amin’ny fanatanterahana ny raharaham-pifidianana sy ny fanarahamaso eny ifotony ny asa fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ihany koa izany », hoy ny Masoivohon’i Japon miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Abe Koji. Tsy handrotsa-bola mivantana, tsy tafiditra ao anatin’ny “Basket fund”, tsy handrotsa-bola ao, fa hanohy ny fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny “fond de contre-valeur”. Nomarihin’ny CENI kosa, fa manampy ny fanohanan’ny Vondrona Eoropeanina, i Frantsa, ary i Alemana amin’ny alalan’ny kitapom-bola iombonana « basket fund » amin’ny tetikasa RPEDEM (Renforcement des processus Electoral et Démocratique à Madagascar) ity fanampian’ny Japon’y ity. Araka izany dia manana tokinaina hatrany ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) amin’ny fitohizan’ny asa rehetra mifandraika amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana ho avy, hoy io Vaomiera io. Nilaza hatrany moa ny CENI, fa taona manan-tantara ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ny taona 2023, hanatanterahana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany raha ny alarobia 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa. Mba hiatrehana ireo asa lehibe miandry sy hanatanterahana ny vina izay napetraky ny CENI : « zotram-pifidianana tsara homana, handraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy filaminana » dia manao ny ezaka rehetra ny CENI miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, hoy io Vaomiera io. Na izany aza, mbola betsaka ny adihevitra sy ahiahy politika mandeha, ary isan’ny taratr’izany ny fakan-kevitra ataon’ny SADC eto amintsika. Mila alamina sy jerena mba hisian’ny antoka fa hadio ny fifidianana!
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap