airtel

Politique

15-nov-2023

Fanoherana ny fametrahana Filoha vazaha

Hangotraka ny ady amin’ny mpanjanantany…

Sample post image

Tsy tolon’ny kandida fotsiny fa tolona ho fanavotam-pirenena no atao amin’izao fotoana,

15-nov-2023

hoy ny Collectif des candidats nandritra ny diabe am-pilaminana omaly. Niainga teny Ambatomainty, nandalo an’Amboditsiry, Andranobevava ary nifarana teny Analamahitsy. Manomboka rahampitso alarobia : mivoaka eny an-dalambe daholo isika hampisehoana fa an’ny vahoaka ny fahefana ary tsy manaiky fifidianana feno hosoka sy halatra isika. Vahoaka mahay manoratra ny tantarany ny Malagasy fa tsy ny any ivelany no hanoratra azy, hoy i Hajo Andrianainarivelo ; tsy vizana miaro an’i Madagasikara isika, tsy voavidy vola ary ataontsika feno vahoaka eny an-dalambe mitsipaka io fifidianana jiolahim-boto sy feno halatra io, hoy hatrany izy. Mila mijoro ho an’i Madagasikara isika ary tsy ekentsika ny fifidianana hampandaniana vazaha hitantana an’i Madagasikara, tsy mila fifidianana halatra hanabadoana ny Malagasy. Tsy azontsika atao ny mampianatra ny taranakantsika hangalatra.halatra manara-penitra no misy eto amin’izao, tsy mety izany. Mitsangana ry tanora,aza manaiky intsony, hoy ny Firaisankinan’ny kandida izay nanamafy ny tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana, ary naneho fa hanamafy hatrany ny tolona.
HO POTIKA TANTERAKA RAHA TSY IZAO NO MIADY
Nasongadin’ny vondron’ny kandida fa raha tsy izao ny Malagasy no miady dia ho potika ity firenena ity, mijoro androany sy rahampitso, ary tokony ho sahy hijoro foana hanarina ny firenena. Nisintona ny sain’ny rehetra ny vondron’ny kandida ary niteny nahitsy hoe : rehefa jerena ny lafin-javatra maro dia mbola voababo, bola voazanaka isika, Malagasy. Amin’izao taona 2023 izao ve dia jiro atao amin’ny tranon’akoho no ampanantenaina anao, hoy i Brunelle Razafitsiandraofa teny Analamahitsy . Tsy izany no hahafahanao mandroso, tsy izany no hahafahan’ny isan-tokantrano mivoatra, hoy izy. Hentitra io kandida io nanamafy fa mitohy ny tolona, ary tsy maintsy hafahana eo ambany vahoan’ny mpanjanantany ny firenena. Rehefa henoina ny fanehoankevitry ry zareo dia tsy misy zavatra mifahatra, tsy misy zavatra ahafahana miala amin’izao fahantrana iza. Zavatra tsy misy fakany, endrika ivelany, tsy misy dikany na « n’importe quoi ». Izahay dia miombona hoe avelao hadio, zarainay ny hevitra fa fantatray ny hamoahana ity firenena ity ho tonga firenena matanjaka, hoy izy.
MIHATSARAVELATSIHY MODY TSY NANAKANA
Nahitsy ihany koa ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina nilaza fa mihatsaravelatsihy sy matahotra mafy ny fitondrana nanomboka ny alatsinainy teo, mody tsy nasiana mpampihorohoro satria eo ire mpanara-maso iraisam-pirenena dia matahotra. Na ho inona na ho inona zava-misy dia isika mandroso foana, tsy ekena ny fifidianana feno hosoka. Raha tsy izao no mijoro dia vao mainka ho potika ny firenena, ka tsy maintsy mijoro isika, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Mangetaheta fiovana ny Malagasy, tsotra ny antony hitarihanay vahoaka dia ny hanavotana ny firenena. Tsy matahotra izahay na aiza na aiza alehanay. Misy miteny fa tsy tokony hitarika vahoaka ka inona no hanaovana politika ? Mila ianarana ny politika fa tsy mandehandeha ho azy, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Aza manao politika raha saro-tahotra, fa isika tsy maintsy mamonjy vahoaka. Tsy maintsy atao ny fitakiana raha tsy tratra ny tanjona. Tsy mankasitraka velively ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-16 novambra. Raha tsy hahemotrareo io fifidianana io, dia tena hisy krizy mahatsiravina eto, hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R


 

Dans la même rubrique

30-déc-2024

Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera

Card image cap
30-déc-2024

Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,

Card image cap
27-déc-2024

Raha ny fanazavàna siantifikan’ireo manam-pahaizana momba ny siansa mikasika ny olombelona sy ny

Card image cap
27-déc-2024

Niverina azo tsidihina sy jerena ny tranonkalan’ny CENI taorian’ny fanakatonana azy nanomboka ny 21 desambra lasa teo rehefa nisy valim-pifidianana

Card image cap
27-déc-2024

Niakatra fampanoavana omaly ireo voarohirohy tamin'ny raharaha trafikana sokatra saron’ny zandary teny

Card image cap