airtel

Politique

08-juil-2024

Fanoherana sy fifidianana

Ho kandida ny Filoha teo aloha…

Sample post image

Toromarika politika nomen’i Marc Ravalomanana ny TIM nandritra ny fanamarihana ny faha-22

08-juil-2024

taonan’io Antoko io ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Naneho anefa i Marc Ravalomana fa tsy maintsy mijoro miaraka amin’ny mpanohitra izay mitovy hevitra aminy ny TIM. Tahaka ny sary mitranga toy ny any Angleterre io hoe : tena ilaina ny fampitambaran-kery, raha ny nambarany. Tao anatin’ny valan-dresaka niarahany tamin’ny Mpandrindra nasionalin’ny Antoko HVM Rivo Rakotovao no nanambaran’i Marc Ravalomanana fa hivondrona ao anatin’ny vovonana antsoina hoe « Firaisambe » ny mpanohitra rehetra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ho fanohizana ny tolona. « « Union » na « front » io, ka eo anoloan’ny fahapotehan’ny firenena dia aleo miray hina, firaisambe ho an’ny tanindrazana ahafahana mitondra hevitra sy mampahatsiaro saina ny rehetra fa an’ny Malagasy i Madagasikara », hoy i Rivo Rakotovao. « Azonay atao ny manao Firaisambe, fa azonay atao ihany koa ny mandeha amin’ny antoko, fa afaka sady antoko no firaisambe. Tena malalaka be io », hoy i Marc Ravalomanana. Arakaraka ny mety ho herijikan’ny kandida sy arakaraka ny toerana io satria naneho rahateo ny Mpandrindra ny HVM fa maro be ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Ny Filoha teo aloha kosa moa nitondra hafatra ho an’ireo mpanara-dia azy amin’ny tena hiaingan’ny kandida avy eny ifotony sy tena azo antoka fa avy amin’ny vahoaka, fa tsy hilatsaka avy any ambony amin’ny alalan’ny fanatonana azy.
HO KANDIDA I MARC RAVALOMANANA ?
Fanontaniana mipetraka kosa ny hoe : mbola handray anjara mivantana amin’ny fifidianana ve i Marc Ravalomanana sa hijanona ho filoha sy mpandrindra ny Antoko TIM sy ny Vovonan’ny mpanohitra. Somary nanaitra ihany mantsy ny fanambaran’ny depiote Fidèle Razarapiera izay toa niantso sy nandrisika fa tsy maintsy atao lany amin’izay ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. « Vavolombelon’ny tantara aho, 6 taona no naha TIM ahy, izaho nanongana anao fa androany izaho manohana anao. Manao antso avo ho an’ny diso làlana fa aty ny tena izy. Miaraka amin’ny TIM no mety fa ilay iray tsy izy. Efa in-droa izy nilatsaka tamin’ny TIM teo foana i Marc Ravalomanana, ka rehefa tonga ny fotoana dia ho tonga ihany koa aho. Teo aloha ny mpitarika ny TIM ny Filoha no tsy lany, ny sekretera jeneraly no tsy lany, fa izao efa lany ny Sekretera Jeneraly, ka ny Filoha sisa. Manantena anao ireo olona ireo fa ianao mila atao lany », hoy i Fidèle Razarapiera. Mbola ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2028 ve i Marc Ravalomanana izay handray ny faha-75 taonany sa ho kandida ben’ny tanànan’Antananarivo amin’ny novambra teo. Tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 2019 no efa nisy resabe amin’ny haha kandida azy, saingy Sekretera Jeneralin’ny Kaominina tamin’izany Atoa Rina Randriamasinoro avy no kandida tsy nampoizina. Asa hanao ahoana amin’ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap