airtel

Politique

28-déc-2023

Feno 51 taona

“Tsy hihemotra amin’ny tolona ny MFM”

Sample post image

Nomarihina tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Soanierana omaly ny faha 51 taonan’ny

28-déc-2023

antoko politika MFM na Mpitolona ho an’ny fandrosoana eto Madagasikara. 27 desambra 1972 - 27 desambra 2023. “...Lazao amin’ny zanak’Israely mba handroso.”. Izay tenin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Eksodosy: 14-15b izay moa no teny filamatry ny antoko. Niarahaba ny mpiara-mitolona rehetra manerana an’i Madagasikara ny foibe sy ny komity foibe MFM ary nampahatsiahy fa Itompokolahy Manandafy Rakotonirina no nanorina sy ny nitarika ny antoko tany am-piandohana hatramin’ny fotoana nodiany mandry. Mijoro, hoy ny antoko, ny vato nasondrotry ny tany ankehitriny hilanja ny faneva hametraka ny foto-kevitra nijoroan’ny antoko hatramin’izay ary tsy miova hatramin’izao. Isany ny fanadiovana ny tokontany mialohan’ny fifidianana. Handray anjara amin’ny fifidianana isan’ambaratonga ho avy eto amin’ny firenena aorian’ny teti-pandaminana ifampierana ny antoko. Mankahery hatrany ny vovonana ho amin’ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana PAN-FFKM hikaro-dalana hirosoana amin’ny fifanarahana politika ifampierana, andaniny. Miantso ny antoko politika tia tanindrazana rehetra tsy anavahana hampandefitra ny ambom-po ka hiara-mihevitra sy hiara-mamaritra ary hiara-misalahy ao anatin’ny mandatehezana mandala ny teny ierana ho amin’ny fiovana sy fanovana, ankilany. Mizara 2 ny dingana irosoana. Fanamafisan’orina ny fitsanganan’ny “Mandatehezana mandala ny tenierana ho amin’ny fiovana sy fanovana na MT2F. Fiaraha-mihevitra sy fiaraha-mamaritra ary fiaraha-misalahy hirosoana amin’ny fikaonan-doha hiteraka ireto fanapahana tanisaina manaraka ireto dia ny fifanarahana politika hamaritana ny teti-pandaminana ifampierana, ny fananganana vaomiera tarihin’ny antenimiera hitantana ny fiaraha-misalahy ho fanatanterahana ny teti-pandaminana notinapaky ny fikaonandoha, fandrosoana sosokevitra mikasika ny lamim-pifidianana tsy anilihana enti-mandamina ny raharaham-pifidianana filoham-pokontany, ben’ny tanàna, lehiben’ny faritra, solombavambahoaka, loholona, filoham-pirenena. Tsy hihemotra amin’ny tolona mikatsaka mandrakariva ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana ny MFM, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap