airtel

Politique

09-août-2023

Politique

Fiainam-pirenena sy fifidianana Poizina ny fanompoana tsangan’olona ny fahakiviana

Sample post image

Betsaka no efa tonga saina sy efa mijery lavitra amin’ny politika, fa mbola mitoetra ihany koa ny tonga mampitovy ny olon-drehetra ao anaty lasitra iray.

09-août-2023

Nozarina hanompo tsangan’olona sy hijery ivelany ny olona, ka zary lasa betsaka no manana lasi-tsaina, tonga dia mitsara ivelany. Ahatarafana izany ny hazakazaka ara-politikan’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy io, izay toa tafiditra ao an-tsain’ny olona sasany ny hoe: rehefa tsy I kandida Rakoto na Rabe efa malaza na efa nitondra dia hibata 0,0% hatrany amin’ny fifidianana, lazaina fa hanary vola,… Ao no tonga dia miteny fa manana 200 tapitrisa Ar amin’ny fifidianana ve tsy aleo hanasoavana vahoaka? Ny sasany indray milaza fa tsy aleo ve mirotsaka ben’ny tanàna na depiote aloha? Tsy ny vina sy programa no tena zava-dehibe fa hoe: rehefa tsy hizara vola, t-shirt, menaka,… dia efa aza manantena ny hahazo ny vaton’ny mpifidy. "Diso ny firesahana vola foana fa tsy io ihany. Raha te ho tonga amin'ny tanjona dia miovà lalana. Tsy sosialisata aho hoe: omena kely ny olona, betsaka no azo hampandrosoana ny Malagasy, fa tsy fitserana,... Mila mamokatra isika! Tadidio fa tamin’ny 2018 dia minisitra tany anaty birao, tsy fantatr’olona, efa tany amin’ny ora farany no hoe: kandida no lany!”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Tahina Razafinjoelina, isan’ireo naneho ny fahavononany hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena. Ao indray no toa mampitovy ny rehetra ao anaty lasitra iray toy ny firotsahan’ny mpandraharaha hofidiana, ka misy no miteny avy hatrany fa ny “businessman” mitovy foana, hitady tombotsoa,... Tsy ny programa sy ny vina no jerena ary fantarina ilay olona hoe: iza izy? Inona no asa efa nataony? Inona no andraikitra efa notanany? Tahaka ny ahoana ny zavatra mety ho vitany? fa vao hoe: olom-baovao, mety mbola tsy dia tazana firy tamin’ny politika satria tsy mety tsy nampalaza tena na nitady voninahitra,… fa izao vao tonga saina eo anatrehan’ny zava-manjo ny firenena ary vonona handray andraikitra, dia efa mandeha ny fanatsatsoana sy famafazana toe-tsaina miiba mba hanakiviana ny hafa sy vao mainka hiraviravy tànana amin’ny hoe: efa tsy avotra intsony I Madagasikara. Vao mainka mitarika any amin’ny tsy fandraisana andraikitra ny fahakiviana, misy ny efa manana ny heviny tsy azo hakisoka na “fanatique” manodidina ny 20% eo, mety mizara roa io, fa ny vato fotsy sy ny tsy tonga nifidy ho an’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena dia 51,4% ary nitombo hatrany amin’ny 60% aza io tamin’ny fihodinana faharoa. Mety kivy amin’ny zava-misy, tsy misy maharesy lahatra azy tamin’izany,… saingy tsy vahaolana izany, mbola afaka manantena ny Malagasy raha ny harena ananany, fotoana izao handraisana andraikitra!
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap