anivon'ny SRMV na vaomiera mpanisa vato. Efa manomboka fantampatatra avokoa ireo voka-pifidianana vonjimaika ankehitriny. Mitana ny sain’ny maro hatrany ny eny amin’ireo Renivohi-paritany. Ny any Antsiranana, mandresy mazava ny kandida tsy miankina Atoa Djavozojazara Jean Luc. Tena afaka hipetraka ho ben’ny tanàna araka ny nisafidianan’ny vahoaka azy ve anefa sa sanatria hosamborina sy hogadraina ka PDS no hapetraka. Ny any amin’ireo renivohi-paritany hafa, dia efa naman’ny tsy misy hevitra ny ao Fianarantsoa fa lasan’ny IRMAR. Mafampana ny ao Toliara izay ny MAPAR no mitarika ka hanao ahoana ny ho fihetsiky ny Pro Siteny ? Ny ao Mahajanga efa nanaiky ny fahareseny ny kandida laharana faharoa Atoa Rivo Rakotovao ary mandresy ny IRMAR. Ny isan’ny mitana ny sain’ny maro amin’izao dia ny hoe : hanao ahoana ny ao Toamasina sy ny eto Antananarivo ? Raha ny vokatra vonjimaikan’ny CENI dia mampandresy ireo kandidan’ny fitondrana. Eo anatrehan’izany, namory vahoaka ny kandida Roland Ratsiraka ny tolakandron’ny sabotsy teo taorian’ny nanatsikafonany ireo ambarany fa hala-bato sy hosoka maro sosona, ka tonga maro ny vahoakan’i Toamasina naneho ny fahavononana hiaro ny safidim-bahoaka, na teo aza ny fanetsehana mpitandro filaminana zavon-tany,… Diabe am-pilaminana niainga teo amin’ny Saint Paul Mangarivotra, saingy efa niantrana ny sakana, saingy nijoro sy niandry toromarika hatrany ireo vahoaka. Tsy niroso tamin’ny diabe, saingy nikabary nanoloana ireo vahoaka kosa ny kandida Roland Ratsiraka. « Izaho tsy miteraka korontana ary tsy hiady amin’ny zandary na miaramila, fa izaho manambara fotsiny : ny vantotsika fantantsika fa nangalarin-dry zareo, ary izao mahalala ny hiadivana azy, ka hampahafantariko anareo tsikelikely », hoy i Roland Ratsiraka. Nanamafy fa tsy mila fifandonana amin’ny mpitandro ny filaminana. Nahitsy kosa anefa ity kandida ben’ny tanàna sady solombavambahoaka am-perin’asa ity fa nanampy ny antokon’ny fitondrana tamin’ny fangalaram-bato ireo manam-basy. Namako ireo, ary isika mpanome zavatra azy ireo, saingy nampiasaina tamin’ny hala-bato ka iny no tsy mety. Andrasana noho izany ny tohiny ho an’i Toamasina !
MANGINGINA NY TIM…
Ny eto Antananarivo kosa, samy nisioka ho mpandresy ny TIM sy ny IRMAR, saingy azo lazaina ho mangingina ny avy amin’ny Antoko TIM nanolotra ny kandida Tojo Ravalomanana hatreto na teo aza ny serasera nataon’io kandida io tamin’ny pejin-tseraserany hoe : « Tsapako tokoa ny fahavononareo hitondra Fanovàna ho an'Iarivontsika. Tsy kivy ianareo fa nametraka Fanantenana amin'ny vinan'asa izay napetrako. Tsy takona afenina ny halabato sy ny tsy fanajana ny safidintsika. Nanjaka tanteraka ny haizina nandritra iny fifidianana iny. Fa tsy misy haizina maharesy mazava izany. Hiray hina isika hiaro ny safidintsika ary tsy avelantsika hisy hanao tsinontsinona ny fahavononantsika hitondra ny tena Fanovàna ho an'ity Renivohitra iraisantsika ity. » Inona izany ny endrika hanehoan’ity kandida ity sy ny ekipany an’izay fijoroana hiaro ny safidim-bahoaka izay ? Ho an’ny kandida hafa dia misy ny efa naneho, fa hanetsika ireo mpahay lalàna ho an’ny dingana manaraka ka hionona amin’ny tahaka io ve ny TIM sa hanetsika vahoaka ? Hisy ny fitakiana fampitahana fitanana an-tsoratra na PV ? Sa hanaiky ho resy ary ho tonga amin’ny fifanarahana politika na « deal » toy ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 araka ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao sasany ?
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…