airtel

Politique

05-juin-2024

Fiarovana ny safidim-bahoaka

Nijoro ary tsy hanaiky teti-dratsy ny KMSB ao Faratsiho

Sample post image

Tsy niandry ela, fa nitsangana avy hatrany ny Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka na KMSB ao Faratsiho,

05-juin-2024

ary nitondra valy bontana avy hatrany omaly 04 jona 2024 ho famaliana ny fanambarana nataon’ireo ben’ny tanàna miisa 9 nasaina nanao fanambarana nanasoketa ny kandidan’ny Firaisankina ho nangala-bato. « Lavinay marin-drano ny filazana fa nividy olona, nizara hena, kafe, siramamy,… ary nampiasa bileta efa voamarika mialoha. Marihinay etoana fa feno mpitandro filaminana ny birao fandatsaham-bato, hatrany amin’ny fokontany faran’ny lavitra indrindra », hoy ireo mpitarika ny KMSB Faratsiho. Nandritra ny fanisam-bato teny anivon’ny dia voasolo tena avokoa ny kandida N°3 (Nomenjanahary Ramilison) ka tsy nisy nanamarika izany, eny fa hatramin’ny solontenan’ny kandida N°2 (Lalatiana Rakotondrazafy) aza, hoy izy ireo. Tao anatin’ny fikirakirana ireo fitanana an-tsoratra na PV miisa 200 isa ihany koa, dia tsy nisy nahitana an’ireo lainga voalaza tao anatin’ny fanambarana, ary azo hamarinina ao anatin’ny PV raha ilaina. Nomarihin’izy ireo fa ny mpikamban’ny birao fandatsaham-bato dia ny Fanjakana no manendry azy, ka tsy marina ny filazana fa sady delegen’ny kandida N°3 no Mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato. Anjaran’ny HCC sy ny sefom-pokontany, hoy hatrany ny KMSB Faratsiho ny mijery ny lisitry ny mpifidy izay olona mbola voatendrin’ny Fanjakana ihany. Nolavin’izy ireo marindrano ny filazana fa nanao herisetra ny kandida N°3 sy ny mpomba azy satria tao anatin’ny « pré-campagne », ary raha ny tany Miandrarivo dia sady tsy hitan’izy ireo no tsy fantatr’izy ireo. Ny herisetra voalaza fa nahazo ny sefom-pokontany tao Ambondrona tao amin’ny Hiragasy, dia tsy natrehan’izy ireo satria fotoana nanaovan’izy ireo diabe niaraka tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Milaza izy ireo fa tsy mieritreritra valifaty araka ny resaka voizina satria tsy manana fahefana amin’izany izy ireo, ary mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna sy zo fototra. Nanamafy izy ireo fa ny voka-pifidianana izay naparitak’izy ireo ny sabotsy lasa teo, dia mitovy dika na « photocopie » navoakan’ny rantsan’ny CENI na ny SRMV Faratsiho fa tsy zavatra noforonina akory. Andaniny, mandeha ny adin-tserasera ataon’ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy sy ny ekipany, toy ny fiakarana haino aman-jery omaly alina. Tsara ny manamarika, fa raha ny voarakitry ny vokatra navoakan’ny SRMV ao Faratsiho izay misy fitomboka mena mazava tsara, dia mitarika amin’ny salan’isa 45,29% amin’ny alalan’ny vato 22897 ny kandida Nomenjanahary Ramilison na Mily, raha toa ka 40,64% amin’ny alalan’ny vato 20646 kosa ny kandida Lalatiana Rakondrazafy, izany hoe : 2251 be izao ny elanelam-bato. Hatsimbadika ve io ho fampandresena ny kandidam-panjakana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap