airtel

Politique

30-mars-2023

Politique

Fifamatorana ara-tantara sy ara-politika Tena ny Frantsay marina ve no olan’i Madagasikara ?

Sample post image

Adihevitra foana ny hoe: nahoana ny zanatany Anglisy no mandroso no mandroso kokoa mitaha ny an’ny Frantsay? Nahoana I Madagasikara no tsy mandroso?

30-mars-2023

Raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana, samy manana ny politikany ireo. Nizara sy nampita fahaiza-manao kokoa ny Anglisy, ary nametraka ny soa iombonana, izay ilay hoe: “Commonwealth”, raha toa ka nirona betsaka amin’ilay hoe: “politique de la ventouse” ny Frantsay, izany hoe: mandavaka sy mitroka izay azony. Tsy tokony ho sakana ho antsika anefa izany, fa maro ihany koa ny zavatra tokony ho hain’I Madagasikara ny mamadika ho hery ny fiaraha-miasa sy ny fifamatorana misy? Maro rahateo ny fifamatorana eo amin’ny tany firenena roa tonta, ary hatreto, dia mbola mafy ny fifamatorana ara-politika eo amin’I Madagasikara sy Lafrantsa. Ara-toekarena, mbola ity firenena ity no mpiara-miombon’antoka amin’ny fifanakalozana ara-barotra amin’I Madagasikara. Nanomboka ny taona 2018, dia voasokajy ho Afrikanina aty atsimon’I Sahara ho manana teratany betsaka indrindra any Frantsa sy ireo tany anaty departemanta Frantsay I Madagasikara, ka notombanana ho hatrany amin’ny 140 000 ny Malagasy any. Misy ireo mpifindra monina avy aty Madagasikara mety ho efa hatry ny ela, fa misy ireo monina sy miasa any,… Malagasy 9 amin’ny 10 amin’ireo misafidy an’ireo tany sy departemanta Frantsay no misafidy ny honina any France na misy 17 000 aza atsy La Réunion, ary 5000 eo ho eo ny any Mayotte,... An’aliny ihany koa ireo Frantsay miasa sy monina ary mandraharaha eto. Isan’ny lohalaharana amin’ireo orinasa goavana eto ny an’ny Frantsay na an’ireo mizaka ny zom-pirenena Frantsay. Teo ny tantaran’ny fanjanahantany, ny mety ho politikam-panjanahana amin’ny endriny vaovao, ny resaka fitsabahana politika sy jeopolitika,… Mbola betsaka ny Malagasy no mirona amin’ny fankahalana an’i Lafrantsa noho izay holatry ny lasa izay. Hahavaha ny olana ve anefa izany ary ny fankahalana vahiny ve no hampandroso an’I Madagasikara? Mety misy ny takaitra, fa mila mitady vahaolana hafa sy paikady mivelatra kokoa satria isika samy isika aloha no mila mahatsapa fa avy amintsika no isan’ny mampikorosy fahana ny firenena, fa tsy tokony hahilika amin’ny hafa foana. Mila mahatsapa ny Malagasy fa ny olona ao aminy no harena voalohany, ireo no mila miombona,mitia ny tanindrazana ahafahantsika mahalala hoe: iza marina isika sy ny tanintsika ary ahoana no hampandrosoana azy fa tsy lany andro hifanipaka lava eto?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap