airtel

Politique

22-juin-2023

Politique

Fifandroritana ara-pifidianana Asa izay hitranga eny Ivandry anio

Sample post image

Hotanterahina etsy amin’ny Novotel Ivandry anio 22 jona 2023 ny fampihaonana faharoa tarihin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI an’ireo Antoko sy mpanao politika samihafa.

22-juin-2023

Hikendrena zotram-pifidianana mangarahara sy milamina ary azo itokisana moa ny voalaza fa tanjon’ny CENI ao anatin’izany, ka fihaonana faharoa taorian’ny 24 martsa lasa teo ity hatao ity. Tamin’ny voalohany, teboka 4 teo no nisongadina, dia ny mikasika ny rijatenin-dalàna mifehy ny fifidianana ; ny raharaham-pifidianana, ka voaresaka tao ny tolo-kevitra mikasika ny lisitry ny mpifidy, ny birao fandatsaham-bato ary ny voka-pifidianana ; ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana, ny fanentanana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny tontolo politika ; ny fanaraha-maso ny fifidianana. Mitodika etsy amin’ny Novotel ny mason’ny mpanara-baovao amin’ny mety ho fizotran’ny raharaharam-pifidianana marina. Omaly, nisy ny fanambarana nataona antoko maromaro nahitana ny MMM, HVM, MFM, Tsara Tahafina, PSD, Ampela manao politika, Lera, izay nilaza fa sarintsarim-pihaonana « misokatra» sy «mangarahara » fotsiny no nokarakarain'ny CENI volohany tamin'ny 24, Martsa 2023 satria tsy nisy noraisina na iray aza ireo soso-kevitra ho fanatsaran'ireo vondron'antoko ireo mikasika: ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana; ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana; ny mangarahara mikasika ny fifdianana (fanomezana kopia sy kara-panondro faobe, ny famatsiam-bola ny fikarakarana ny fifidianana, sns.); ary ny fikarakarana ny fifidianana amin'ny ankapobeny. Noho izany milaza tsy handray anjara amin'ny fihaonana faharoa izay karakarain'ny CENI anio izy ireo ary tsy mamatotra ny tenany izay fehin-kevitra raisina ao.
HO SAROTRA?
Hanao ahoana izany ny ho fizotry ny raharaham-pifidianana. Ara-bola, vao lisi-pifidianana dia nilaza fa efa nandany 45,3 miliara ny CENI, 140 miliara mahery no nangatahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola saingy 70 miliara Ar no voaresaka tao anatin’ny taratasy nifanaovan’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny Vondrona Eoropeanina,… Hitosaka ve ny vola taorian’ny fihaonan’ny Filoha Malagasy sy ny Filoha Frantsay izay nolazaina fa vonona hamatsy vola ny fifidianana? Tetsy andaniny, nisy ny fakan-kevitra nataon’ny iraka manokan’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) notarihin-dRtoa Micheline Calmy-Rey izay ankoatra ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra, dia nihaona tamin’ireo mpitarika politika lehibe toa an’I Marc Ravalomanana Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina,… izay tsy tongatonga ho azy.
MBOLA BETSAKA NY FIFANDRORITANA
Mbola betsaka ny zavatra toa ifandroritana na efa mikofokofoka manao hetsika politika samihafa hafa aza ireo heverina fa ho kandida. Teo ohatra, ny nilazan’ny Praiminisitra ny 8 jona lasa teo, fa ilaina intsony ny mikitika sy manova ny lalàm-pifidianana satria efa atomotra ny fotoana, hiteraka fanovana zavatra be dia be, vao mainka manakorontana,… Manampy trotraka izany ny mbola tsy hamoahan’ny fitondrana didim-panjakana mamaritra mazava ny tena datim-pifidianana sy ny fanaikana ny mpifidy, fa roritina amin’ny hoe: mbola manana hatramin’ny 12 jolay,… Asa na ho tafavoaka ve ny baolina momba ny hisian'ny fifidianana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap