airtel

Politique

13-nov-2023

Fifidianana amboletra

Ho loharanona krizy mafy kokoa

Sample post image

Raha ny fahitana azy hatreto aloha dia tsy hihemotra amin'ny fanapaha-keviny ny fitondram-panjakana fa dia hanao

13-nov-2023

fifidianana mandeha ila ny alakamisy 16 novambra 2023 ho avy izao. Miisa 3 izany ny kandida nanao propagandy ka hifaninana amin'io dia Andry Rajoelina, Sendrison Raderanrina ary Siteny Randrianasoloniaiko. Tsy handray anjara ny kandida 10 ambiny mivondrona eo anivon'ny collectif des candidats.
LOJIKANA FIFANDIRANA
Raha io sary io no jerena dia mazava ny resaka eto fa na toa inona na toa inona mety ho vokatra eo dia hanamafy hatrany ny krizy efa misy ny firosoana amin'ilay fifidianana. Tsy hanaiky ny vokatra ny ankilany, ary azo sary an-tsaina fa mety samy hilaza ho mpandresy ny etsy andaniny. Na ny fanisam-bato sy ny fanangonana ny vokatra aza mety hanahirana noho ny fisiana fifandirana any anaty fiarahamonina, tsy hoe zava-baovao izany fa efa nisy teto hatramin'izay nanaovana fifidianana ka izany indrindra no anton'ny hetsika sy tolona amin'izao fotoana hoe andao amboarina tsara ny fototra, diovina ny tokontany saingy manao be marenina moa ny fanjakana.
HAMPISAVOROVORO
Na ankizy mianatra eny amin'ny ambaratonga fototra aza dia efa mahatakatra fa hitarika gidragidra ny voka-pifidianana amin'ny 16 novambra io, izay zavatra tsy mahasoa ny firenena, mbola azo sorohana tsara anefa raha manaraka ny tolo-kevitry ny vovonana fanelanelanana sy fikaroham-bahaokana nivory teny Tsimbazaza ny fanjakana sy ny CENI. Misy tranga maro efa tena miteraka fimenomenomana any amin'ny fokontany maro any amin'ny resaka biraom-pifidianana sy lisitry ny mpifidy, hanasarotra ny asan'ny mpikarakara fifidianana io amin'ny 16 novambra. Lasa mifampiahiahy ny any anaty fiarahamonina, samy mifankahafantatra tsara anefa hoe iza no iza ary iza no manao inona. Tena sarotra ihany koa ny toerana misy ny mpitandro filaminana satria ny fifidianana tsy maintsy atao izay hampilamina azy, ny vondron'ny kandida sy ireo mpiaradia aminy tsy maintsy atao tsara ambiny, ny asa mahazatra isan'andro amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana tsy maintsy atao.
AKONY RATSY ARA-TOEKARENA
Tsy maintsy hisy akony any amin'ny resaka famokarana, varotra, famatsiana, fifamezivezen'ny olona sy ny entana, eny mety hiitatra hatrany amin'ny fifandraisana amin'ny any ivelany ny fifandirahana hitranga aorian'ny fahavitan'ny latsa-bato ny 16 novambra izao io. Tsy misy fifandirana politika aza efa ao anatin'ireo firenena sokajiana ho mampiahiahy sy mahantra i Madagasikara, mainka fa hoe miditra amina fifandirana noho ny voka-pifidianana. Dia efa mazava ny resaka eto fa hisy akony ratsy any amin'ny toekarena ny fanaovana beloha hiroso amin'ny fifidianana, ary tantara efa mateti-pitranga taty Afrika io, efa fantatra tsara ny hiafarany.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap