fifidianana ben’ny tanàna hatao amin’ny 06 novambra 2024, izay soso-kevitra avy amin’ny rafitra miantsoroka ny fifidianana. Hatreto, mbola tsy nivoaka ny didim-panjakana mamaritra izany sy ny fanaikana ny mpifidy. Ny ben’ny tanàna izay marihina fa hiakatra 5 taona ny fe-potoana hiasana manomboka amin’ireo ben’ny tanàna izay ho avy eo. Efa ny 11 janoary lasa teo no lany ny fe-potoana hiasany, saingy ny fifidianana solombavambahoaka moa no nalefa aloha noho ny kajikajin’ny Fanjakana. Mazava ho azy, fa ny governemanta no tompon’ny teny farany ao anatin’io ka asa tahaka ny ahoana indray ny ho sarisary sy kajikajy politika amin’io. Ny an’ny fifidianana Filoham-pirenena sy ny fifidianana solombavambahoaka, dia ireny niaraha-nahalala ireny, fa niainga tany amin’ny fampidanganana ny anto-bola, fanasarotana ny fahazoana antontan-taratasy, nitohy tany amin’ny SRMV tamin’ny alalan’ny voka-pifidianana niova ny sasany, nitohy teny amin’ny CENI, ary nisy hatramin’ny fanatsimbadihana vokatra teny amin’ny HCC,… Nanamarika ny fifidianana farany teo ny faharesen’ny kandidam-panjakana tamin’ny tanàn-dehibe maro manerana ny Nosy. Lokan’ady politika goavana anefa ireo tanàn-dehibe, indrindra fa Antananarivo. Raha ny lojika miainga amin’ny fifidianana nifanesy, dia sarotra ho an’ny volomboasary ny hahazo an’Antananarivo Renivohitra, raha tena fifidianana madio sy milamina, ary mangarahara. Porofo mivaingana iny fifidianana solombavambahoaka farany teo iny, izay tsy nisy na iray aza kandidan’ny volomboasary nahazo ny laharana voalohany tamin’ireo Boriborintany 6, ary tataka ara-bakiteny aza ny isam-bato satria betsaka tamin’ireo kandida IRMAR teto Antananarivo no resy very sasaka mahery kely nanoloana ny kandidan’ny fanoherana, ary nisy tokony ho poa-droa aza fa heverina ho namboamboarina ny voka-pifidianana. Tsy teto ihany, fa saika tany amin’ireo renivohi-paritany rehetra ankoatra an’i Fianarantsoa no vizana ny IRMAR. Ara-politika dia midika zavatra goavana izany, izay sary maneho fa tofoka amin’ny volomboasary ny vahoaka amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara, ary efa tonga saina fa tsy izao no antsoina hoe : fampandrosoana. Ny toerana somary ambanivohitra moa betsaka no tratry ny tsy fidiny, ary mbola mitoetra ilay hoe : matahotra Fanjakana, matahotra antsojay,… ary mora kokoa ny manatsimbadika safidim-bahoaka any amin’ireny faritra ireny. Ara-politika, miha mihen-danja hatrany ny volomboasary, miha mitotongana any anaty voka-pifidianana,… ka dia andrasana indray izay ho fisehony rehefa tonga io fifidianana eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana io.
Mahatratra 1695 ny kaominina manerana ny Nosy. Mbola ambanin-javatra any anatin’ilay fitsinjarana ara-bola satria hatreto, dia tsy ampy tetibolana minisitera na andrim-panjakana iray akory ny 30 tapitrisa Ar isan-taona ireharehan’ny Fanjakana fa fanohanana ny kaominina izay nakarina. Zara raha manome 80 miliara Ar kely ho an’ireo kaominina manerana ny Nosy.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…