airtel

Politique

29-août-2024

Fifidianana ben’ny tanàna

Mbola ho baolina an-tanimbary hatrany !

Sample post image

Lalan-tsaina nitondrana ny dinika niarahan’ny CENI sy ny mpiantsehatra ara-politika sy ara-pifidianana

29-août-2024

omaly ny hifampizarana vaovao manodidina ny zotram-pifidianana, hampahafantarana ny antsipirihinan’ny fikarakarana, handravonana ireo ahiahy,... Ny 05 septambra 2024 manomboka amin’ny sivy ora maraina ka hatramin’ny 19 septambra 2024 amin’ny dimy ora hariva ny fanetarana ny antonta-taratasy ho an’ireo mpirotsaka hofidiana. 22 Septambra no hivoaka ny lisitra vonjimaika, ny 1 oktobra hatramin’ny 12 oktobra farafahatarany ny lisitra ofisialy, 48 ho an’izay tsy afa-po, 72ora ho an’n fampiakarana any amin’ny filankevi-panjakana raha mbola tsy afa-po amin’ny fanapahan-kevitry ny CENI. Tsy maintsy mametra-pialana ny ben’ny tanàna am-perin’asa. Ny 12 oktobra farafahatarany famoahana ny lisitra sy toerana misy ireo birao fandatsaham-bato. 19 novambra - 9 desambra ny fampielezan-kevitra. Ny 11 desambra no andron'ny fifidianana. Ny 24 desambra farafahatarany ny famoahan'ny CENI ny vokatra vonjimaika isaky ny faritany. Vina ny fampiatiana ny olona rehetra ao anatin’ny zotram-pifidianana ka handravonana ny ahiahy, saingy lasa fifampiangana sy fifampipalana teo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra ny omaly. Nibahan-toerana kokoa ny mbola fisian’ny tsy fahatokisana sy tsy fifampatokisana. Mitaky fandraisana andrakitra avy amin’ny CENI, governemanta, Fitsarana mahefa eo anatrehan’ny fandikan-dalàna samihafa ny mpanohitra ahitana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanipika ny tokony hisian’ny fitovian-jo amin’ny fampielezan-kevitra, fitoviana amin’ny haino aman-jery, fitsarana tsy mitongilana,... Manam-piniavana ny amin’izany ve ny Fanjakana na ny governemanta izay sady mpandray anjara ? Maneho fahavononana ve ny filazan’ny solontenam-panjakana fa mamo miantso polisy ny fanoherana ? Toa sarotsarotra ny hisian’izany raha ny sary mitranga. Stratejika be rahateo ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina satria ireo ihany koa avy eo no mpifidy vaventy hisafidy ny maro an’isa handrafitra ny antenimierandoholona. Toa mbola ho baolina an-tanimbary ihany no hitranga, ka hanjaka ny an-kamely, somary mahakely finoana ny hihahazoan’ny mpanohitra rariny eo anatrehan’ny mety ho fandikan-dalàna samihafa,… Dia ho hita eo moa ny fisehony fa mitoetra hatrany ny ahiahy tsy hihavanana hatreto!
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-nov-2024

Hivoaka amin’ny fahanginany hatramin’izay i Tahina Razafinjoelina, ka nanambara omaly fa hamoaka ireo

Card image cap
20-nov-2024

Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,

Card image cap
20-nov-2024

Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,

Card image cap
20-nov-2024

tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina

Card image cap
20-nov-2024

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

Card image cap
20-nov-2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Card image cap