airtel

Politique

11-sept-2024

FIFIDIANANA BEN’NY

TANANAN’IARIVO Mbola tsy vaky ny atody eny amin’ny OVEC

Sample post image

Mbola tena mangina ny fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo Kandida hifaninana

11-sept-2024

ho Ben’ny tananan’Antananarivo hatreto. Ireo tsy ao anaty lisitra no tonga maro vonona ny hifaninana raha araka ny fanazavana azo fa ireo tafiditra anaty lisitra kosa mbola vitsy no tazana. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny OVEC Antananarivo renivohitra anefa fa 8 andro sisa dia hifarana tanteraka izany fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana izany ka tsy tokony hiandry ny ora farany ireo kandida. Manjary tsy mahazo ilay 48 ora hahafahana mameno ny dosie tsy ampy mantsy izy ireo raha vao amin’ny ora farany vao tonga manatitra izany, raha ny fanazavana. Tokony hanatona ny OVEC ihany koa ireo kandida raha manana olana amin’ny fikarakarana ny dosie hoy hatrany izy. Misy mpitsara afaka manoro hevitra na manampy mantsy ao amin’izy ireo, misy ivon-ketra ihany koa, misy tompon’andraikitra avy eny anivon’ny CENI…. Nambarany moa fa ny fikarakarana ny « casier judiciaire » sy ny « certificat de nationalité » hatreto no mbola tena olana goavana ho an’ireo Kandida Ben’ny tanana.
Pati
Legende : Miandry hatrany ireo Kandida vonona ny hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanana ireo tompon’andraikitra eto amin’ny OVEC Antananarivo renivohitra !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap