airtel

Politique

25-juin-2024

Fifidianana depiote

Hampandresena i Lalatiana dia hogadraina i Mily raha… ?

Sample post image

Andro vitsy mialohan’ny fotoana heverina fa hivoahan’ny valim-pifidianana ofisialy avy etsy amin’ny HCC.

25-juin-2024

Mandeha ny feo amin’ny tsy maintsy hampandresena an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ao Faratsiho. Fifandrifian-javatra ihany ve ilay ilay serasera nataony tamin’ny Facebook hoe : « Ray o, tsy maintsy mandresy tena mpandresy aho ao aminao… satria nalainao avy lavitra loatra aho tsy ho arianao » ? Ny feo mivoaka any amin’ny Etamazaoro politika samihafa, eny fa na hatrany anaty fitondrana aza dia hoe : tsy maintsy hampandresena i Lalatiana Rakotondrazafy. Ny valim-pifidianana ofisialy izay re siosio fa mety ho amin’ny alakamisy 27 jona izao no hanamarina na handidso an’io. Raha ny fanamarihana mandeha dia mampanahy ny mety ho fanatsimbadihan’ny HCC ny vokatra, ka hanintsanana an-dRamilison Nomenjanahary na Mily, izay mitarika amin’ny elanelam-bato 2351 be izao, ka nilazan’ny ankilany fa nisy ny hala-bato sy hosoka tany amin’ny toerana nitarihan’ity kandida ity lavitra. Naneho hatrany tamin’ireo serasera nataony i Lalatiana Rakotondrazafy, fa mahatoky ny HCC hanasazy ny kandidan’ny Firaisankina, hanao didy fakan-tahaka na « jurisprudence » tamin’ny efa nisoparana ny kandida Mily tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo tao Faratsiho na dia nandresy tamin’ny isam-bato 92 aza, saingy nofoanana ny fifidianana. Manantena mafy ny hiverenan’ny fanafoanana vato tahaka ny natao tamin’i Siteny Randrianasoloniaiko nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo. Andaniny anefa, nomen’ny fitsarana tao Antsirabe fahafahana noho ny fisalasalana ireo olona 4 notorian-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ho nanao hosoka sy hala-bato tao Faratsiho, izay raha halalinina io, dia azo adika ho tsy ampy ny vesatra sy porofo hahafahana managadra sy mandetika ireo olona nohampangaina hahafahana manameloka azy, saingy nentin’ny andaniny any amin’ny hoe : tokony ho afaka madiodio raha tena madio fa tsy noho ny fisalasalana. Rehefa afaka aloha dia afaka ary matetika ny fahafahana noho ny fisalasalana dia mety natao mba tsy hanakiviana ny mpitory. Ny lojikan’io, rehefa afaka ny notoriana teny amin’ny fitsarana ady heloka, dia heverina tsy hivaona amin’izay ny aty amin’ny HCC. Asa anefa izay hitranga satria betsaka ihany koa ireo kandida maneho fa misy endrika fitanilana satria nangataka fitsarana ampahibemaso na « audience publique » ohatra ny kandida Lalatiana Rakotondrazay dia nahazo kanefa misy amin’ireo kandida avy amin’ny fanoherana nanao izany milaza fa voatsipaka am-bavafo. Mandeha hatramin’ny feo fa ho tonga hatramin’ny fanagadrana an’i Mily raha manohitra ny mety ho fampandresena an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Efa voarefin’ny Fanjakana ve ny mpanohitra fa mimenomenona sy mitabataba herinandro hatramin’ny iray volana dia izay ka hoentiny amin’ny didin’ny be sandry ?
TSY MAINTSY HAVOTANA ?
Ity Minisitry ny fampianarana teknika no hany Minisitra tsy lany tamin’ireo 7 mpikamban’ny governemanta natao kandida raha ny vokatra vonjimaikan’ny HCC, kanefa isan’ireo tsy azo nohozongozonina tao anatin’ny governemanta hatramin’ny nitondran’i Andry Rajoelina ny fiandohan’ny 2019, na dia somary nahen-danja nalefa tamin’ny fananganana ny governemanta voalohany tao anatin’izao taom-piasana faharoa izao. Lasa manana « légitimité » na marin-toerana ara-politika kokoa izany ireo izay lany ary vao mainka tsara toerana hiverina ao anaty governemanta satria avy nisedra fifidianana ary lany. Tsy maintsy havotana ka tsy maintsy hampandresena i Lalatiana Rakotondrazafy mba tsy ho lasa maningana ? Ity farany izay efa tsy lany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo 9 taona lasa, ary io mbola tsy lany any Faratsiho io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap