airtel

Politique

28-juin-2024

Fifidianana depiote

Natao izay hahamarin-toerana ny IRMAR…

Sample post image

Nahazo depiote miisa 84 ny IRMAR raha 80 teo ny kajikajy tao anatin’ny vokatra vonjimaika,

28-juin-2024

nahazo toerana 50 ny tsy miankina, 22 ny Firaisankina, 4 ny FIVOI, 1 avy kosa ny Kolekitifa, Antoko Maitso, ary ny JMP, izay manome 163 handrafitra ny Antenimierampirenena amin’ny endriny vaovao, araka ny voka-pifidianana ofisialin’ny HCC omaly 27 jona 2024. Manana ilay « Majorité relative » na maro an’isa 82 izany ny IRMAR, fa tsy maintsy mikaoty depiote hafa kosa raha hitady ilay maro an’isa tsy azo hozongozonina na « majorité absolue » na 2/3 109 izay ilaina amin’ny fandaniana ireo lalàna sasantsasany toy ny lalàna fehizoro, fanintsiana amin’ny ampahany ny lalàmpanorenana,… Sarotsarotra ihany koa ny resaka fitsipaham-pitokisana izay mila an’io 2/3 io. Raharaha isan’ny nandrasan’ny maro ny fifidianana tao Faratsiho izay nisy fanafoanana vato miisa 142 tao Vinaninony Atsimo no hany fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC noho ny fitoriana nataon-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy, saingy tsy nampiova na inona na inona noho ny elanelam-bato nahatratra 2351 ka dia lany ofisialy ho solombavambahoakan’i Faratsiho Ramilison Nomenjanahary. Nisy ny fanafoanana vato tany Vondrozo, ka nampitsimbadika ny vokatra, nisy foana koa tany Tsihombe noho raharaha fahamaizana,… Tsy niova ny vokatra tao amin’ny Boriborintany faha-3 teto Antananarivo ka tafiditra ho laharana faha-2 ny kandidan’ny Firaisankina Feno Ralambomanana, manampy an’i Gascar Fenosoa, izany hoe : 6 ny Depioten’ny Firaisankina, 5 ny IRMAR, 1 tsy miankina. Poa-droa ny IRMAR tao Fianarantsoa, tao Ihosy, Moramanga, ny tao Sambava moa mazava ho azy satria tsy nisy mpifaninana. Poa-droa hafa ny tao Arivonimamo dia ny FIVOI, ny tsy miankina tao Tsiroanomandidy, raha toa ka samy vizana ny Firaisankina sy ny IRMAR tany Ampafaravola satria kandida tsy miankina roa no lany,...
VOATSIPAKA IREO FITORIANA MARO
Tamin’ny ankampobeny, tsy azo noraisina na notsipahana ny ankamaroan’ireo fitoriana izay nahatratra 1529 voarain’ny HCC, toy ny nilazan’ny HCC fa tsy nisy azo noraisina na iray aza ny fitoriana mikasika fangatahana fanesorana an-daharana kandida. Tahaka izany ihany koa ny raharaha fitoriana samihafa mikasika ny fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fisian’ireo mpiasam-panjakana nitanila sy nanao hetsika fampielezan-kevitra nanomezana tombondahiny kandidam-panjakana, izay nohamafisina fa sazian’ny lalàna, saingy izay nanao azy no voakasika, tsy misy fiantraikany sy tsy miteraka fanovana voka-pifidianana, raha tsy voaporofo fa niteraka fiovana amin’ny tokony ho vokatry ny latsa-bato. Tafiditra ao anatin’io mazava ho azy ny propagandy mivantana na ankolaka nataon’ny Filoha Rajoelina izay voararan’ny andininy faha 61-62-63 amin’ny lalàna 2018 ankoatra ny andininy faha-49 izay maneho fa tsy azo ampirafesina amin’ny asa ao anaty vondron’antoko. Efa karazana didy fakan-tahaka na « jurisprudence » tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny filazana fa tsy miantraika amin’ny voka-pifidianana ny fihetsika nataon’ireo mpiasam-panjakana manokana fa voalaza nanao ny fandikan-dalàna no mety ho voakasika. Nanamafy rahateo ny HCC, fa tsy mitombina ny fitoriana tsy misy porofo na tsy ampy porofo. Tsy ampy ny filazana fotsiny ny hoe nisy fandikan-dalàna, mila porofo ka anjaran’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana no mandanjalanja ny maha mitombina na tsia ny porofo an-taratasy. Tsy dia nisy nanan-kery ireo porofo, ka toa misy endrika maneho fa adalan’izay tsy nangalatra sy tsy nanao hosoka ? Niarahaba ireo lany sy niantso ireo tsy lany hanaiky ny vokatra moa ny Filohan’ny HCC, ary niantso azy ireo hiomana sahady amin’ny fifidianana manaraka.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap