kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo, raha tsy misy ny fiovana. Ao amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo no hanaovana azy io, ka ny FES (Friedrich Ebert Stiftung) no hiantsoroka azy. Kandida miisa 3 moa no efa nangataka ny hisian’izany, ka nisantatra sy niantso voalohany an’io ny kandida Tahina Razafinjoelina, narahin’ny kandida Ndriana Razanamasy sy Gascar Fenosoa. Andrasana ny hahatanterahany sy ny endrika isehoany satria hahafahan’ny olom-pirenena mijery sy manaraka akaiky an’ireo kandida eo amin’ny vina sy programany hoentiny mitantana sy mampandroso an’Antananarivo io. Marina fa efa misy ny « précampagne » propagandy hamelabelaran’ny kandida tsirairay avy ny vinany sy ny programany ary ny paikady sy fomba fiasa entiny hitantanana ny tanàna raha lany ben’ny tanàna, saingy betsaka ireo teboka sy lohahevitra mety hanitikitika ny olom-pirenena mikasika izay làlan-jotra hitondrana ny tanàna izany. Fomba fanao amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana rahateo ny tahaka itony, na ekena aza fa mety ho sarotra ho an’ny manerana ny Nosy. Stratejika ary manana sata miavaka kosa anefa Antananarivo, ary tsy vao sambany no nisian’ny adihevitra ho an’ireo kandida ben’ny tanàna teto, fa efa nisy ny 2014, 2019, ka inoana fa tsy dia ho sarotra ny hanatanteraka azy amin’ity indray mitoraka ity. Tsy voatery hifampipala na hifamely tahaka ireny miseho amin’ny fifidianana any Etazonia ireny, ary tsy izay rahateo no tanjona fa ny hahafahan’ny rehetra mahalala sy mahafantatra ny fomba fijery sy fomba hiatrehan’ny kandida tsirairay ny toe-javatra samihafa miainga amin’ny lohahevitra heverina fa efa atolotra mialoha, fa ny mety ho endrika itondran’ny mpanentana azy no hamaritra ny maripana. Miisa 7 ireo kandida izay samy manana ny hanitra ho azy, niomana sy vonona amin’ny fandraisana andraikitra matoa nirotsaka, ary heverina fa tsy tokony hananan sakana amin’ny adihevitra momba ny vina sy fandaharan’asa na politika hitondrana ny kaominina sy ny maro hafa matoa mirotsaka ka andrasana araka izany hoe : handray anjara daholo ny rehetra sa hisy ny hisafidy ny haka sisiny ?
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka