airtel

Politique

15-oct-2024

Fifidianana eto Antananarivo

Kandida 2 no efa mangataka hisian’ny adihevitra

Sample post image

Stratejika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy.

15-oct-2024

Andrasan’ny rehetra, indrindra ny mpanara-baovao ara-politika sy ny olom-pirenena ny mba hisian’ny adihevitra hahafahan’ny vahoaka mijery sy mahafantatra ny vina sy ny hevitra ary ny fomba mety hatolotry ny kandida tsirairay avy hitantanana sy hampandrosoana an’Antananarivo. Hatreto, kandida 2 izao no mangataka ny hisian’io adihevitra eo amin’ny samy kandida ho Ben'ny tanana eto Antananarivo io. Taorian'i Tahina Razafinjoelina nandritra ny fandaharana manokana nataony ny zoma 4 oktobra dia nanao antso hisian'izany koa i Ndriana Razanamasy omaly. Iry voalohany, izay nanipika sy niantso fa tokony hatodika kokoa any amin’ny resaka vina sy hevitra fa tsy olona ny mason-tsivana hisafidianana, tsy mifototra amin’ny endrika ivelany, na tsangan’olona,… Hahafahana mandrefy sy mahita ny tena fahavononan’ny tsirairay io, ka tsy ilay olona amin’ny maha olombelona azy no jerena fa ny vina sy hevitra atolony, ny sehatra nisy azy sy ny fahombiazany izay mety hahafaha-mandinika sy mamaritra ny mety ho fahombiazany amin’ny fitantanana ny Renivohitra. Ny kandida Ndriana Razanamasy kosa raha ny serasera nataony nangatahany dia ny hametrahana fitsipi-dalao mendrika ny fifidianana madio sy mangaraharaha andraisan’ny rehetra anjara ary fifidianana tena demokratika. Fomba fanao maneran-tany ny adihevitra eo amin’ireo kandida rehefa hiatrika fifidianana. Andrasana araka izany ny hisian’ny adihevitra hahitan’ny vahoakan’Antananarivo hoe : iza tokoa no mendrika hitantana ny tanàna ? Samy manana ny maha izy azy ireo saingy ny adihevitra tahaka itony dia manampy ny olom-pirenena tsy hihinana ambolony fa afaka hijery sy hitsara mahitsy hoe : Iza tokoa no tena niomana hitondra fampandrosoana amin’ny vina sy hevitra ary paikady mahomby hitantanana ny Renivohitr’i Madagasikara ka mendrika hofidiana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap