airtel

Politique

05-sept-2024

Fifidianana eto Antananarivo

Manahy vela-pandrika hisian’ny korontana ny mpanohitra

Sample post image

Iray andro nialohan’ny fisokafan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly,

05-sept-2024

voasakana tsy afaka niditra tetsy amin’ny Magro Behoririka indray ny avy amin’ny fanoherana, raha nikasa ny hanao ny fanolorana ofisialy sy ny fitondrana am-bavaka ny firotsahan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Antananarivo. Vao maraina dia efa nobahanana tamin’ny alalan’ny mpitandro filaminana zavontany ny fidirana rehetra tetsy amin’ny Magro. Nambara fa tsy nahazo alalana avy amin’ny Prefektioran’Antananarivo ny hetsika, ka anisany nambara ho antony ny fisiana biraom-panjakana eny amin’ny manodidina. Raha tamin’ny 9ora sy sasany maraina no fotoana nomena ireo vahoaka, dia tamin’ny 12 ora latsaka fahefany teo no tonga teny ireo solombavambahoaka avy amin’ny Firaisankina, ka nilaza tamin’ny alalan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa Filohan’ny Vondrona Parlemantera mpanohitra fa fanajana no nanaovana fangatahana, fa raha ny tena izy tsy mila an’izany satria toerana tsy miankina io. Nambaran’ny fanoherana tamin’ny alalan’ny Siteny Randrianasoloniaiko Filoha lefitra mpanohitra eo anivon’ny Antanimierampirenena fa didim-panjakana no namaritra ny firosoana amin’ny fifidianana, ary manamafy ny fahavononana hiatrika izany ny avy amin’ny fanoherana. Naneho fa tsy faritra mena io, ary ny mpanohitra tsy olon’ny fikorontanana, mitandrina ny filaminam-bahoaka, ka itenana mba tsy hilazana fa avy amin’ny fanoherana ny fikorontanana, raha ny nambaran’izy ireo. Nanitrikitrika ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko, fa resaka politika no anton’ny fanakanana, ary ny taratasy nalefan’ny Prefe izay nilaza fa feno biraom-panjakana manodidina, dia tsy marina izany. « Fahatahorana ny mpanohitra satria tsy zakan’izao fitondrana izao ho lasan’ny fanoherana ny tanànan’Antananarivo, ka ny anay dia izao hoe : jereo ireo fako manodidina, haratsin’ny làlana, fikorontanana, rano,… ka ny mahamay anay dia ny hanavotra ity Renivohitra hiraisana ity », hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Nanamafy fa vonona hiatrika fifidianana ny mpanohitra, ka sao io no havadika fikorontanana na hametrahana Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS indray Antananarivo, ka antony nijerena ny filaminam-bahoaka sy nitandroana ny filaminana na dia tsy rariny aza ny zava-misy, hoy hatrany izy ireo. Manahy vela-pandrika izany ny mpanohitra fa atao izay hikorontanan’ny fifidianana eto Antananarivo mba hahafahana mametraka PDS ? Zary lasa vao mainka mampalaza sy propagandy ho an’i Marc Ravalomanana ny sakantsakana ataon’ny Fitondrana, ary toa maneho sy manamafy ny fahatahorany ny hahalany io Filoha teo aloha io.
FITONDRANA MALEMY
« Fitondrana malemy ny fitondrana mampiasa hery, raha matanjaka izy dia manana fanohanana amin’ny vahoaka, ary raha tena manana ny maro an’isa dia tsy mampiasa hery izany. », hoy hatrany mpanohitra tamin’ny alalan’i Siteny Randrianasoloniaiko. Raha mahatoky tena dia tokony havela hirotsaka malalaka daholo izay te hirotsaka, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Niazo ny CENI ireo depiote mpanohitra rehefa tsy raikitra ny teo amin’ny Magro, nampahafantatra ny ambaran’izy ireo fa zo voahitsakitsaka sy mizana tsindrian'ila. Nitohy teny amin’ny Prefektiora nanazava tamin’ny Préfet de Police ny fomba fijeriny. Nanome toky izy fa hamory ny OMC ary hanapa-kevitra haingana mikasika ity hetsika karakaraintsika ity, hoy ny tatitry ny fanoherana.
Toky R

 

 

 

 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap
16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Card image cap
16-sept-2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana

Card image cap
16-sept-2024

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao telo andro tsy hifanaranan’ny fe-potoana hitsaharan’ny fametrahana antontan-taratasy izao.

Card image cap
16-sept-2024

Mihamafy ny fifandirana eo amin’ny fitondrana Rajoelina sy ny vondron’ny mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana.

Card image cap
16-sept-2024

Nilatsaka ny didy ho an’ny ben’ny tanànan’Antsiranana I Atoa Dzavojozara Jean Luc.

Card image cap