amin’izao fotoana izao. Stratejika be io ho an’ny eto Antananarivo izay ny anaran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Rtoa Rinah Rakotomanga aloha no ofisialy. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny kandidan’ny volomboasary na ny TGV sy ny namany hatreto, aty amin’ny 10 andro tsy hisokafan’ny fotoam-panaterana dosie ny 5-10 septambra ? Hiverina ve ny sarin’ny 2014 izay nanolotra ny TGV fa nanohana an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ? Hiverina ihany koa ve ny sarin’ny 2007 fa ny toeran’Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina fotsiny no mifanova ? Vao mainka hanamafy indray ny fifanandrinana eo amin’ny roa tonta tao anatin’ny 17 taona ? Hijanona eo amin’ireo hery roa nifanandrina hatramin’izay sa hisy fitsimbadihana ka hisongadinan’ny hery politika hafa na olom-baovao ? Na tiana na tsy tiana, dia tena misy lanjany lehibe amin’ny ara-politika Antananarivo. Hahafahana mametraka ny fifandanjan-kery na « rapport des forces » eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra, ary làlana nampitsimbadika tantara tao anatin’ny 20 taona farany raha tsy hampahatsiahy ny fiakaran’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana ny 2002 rehefa avy ben’ny tanànan’Antananarivo, ary tahaka izany ihany koa i Andry Rajoelina ny taona 2009 izay fifanandrinana tsy mety vita mandrak’androany,…
SADY MIFAMONO NO MIFAMELONA ARA-POLITIKA
Ho an’ny mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana, ankoatra ny filazany fa ho fanarenana an’Antananarivo, dia ho fanohizana ny tolona no isan’ny nambarany fa anton’ny firotsahan-kofidiany. Any indray ve no làlana heveriny fa hahafahany mandavo an’i Andry Rajoelina ? Fifanandrinana ara-politika fa fifamelomana ara-politika ihany koa ny sary miseho satria arakaraka ny hijoroan’i Marc Ravalomanana no vao mainka ihany koa mampanenjana an’i Andry Rajoelina hanao izay fomba rehetra tsy hahazoany fahefana mivantana, hanamarinany ny tenany fa tena nety ny 2009 ary tena hetsi-bahoaka ary naloam-bahoaka ny Filoha teo aloha. Raha mbola mijoro ho kandida politika sy mieritreritra haka fahefana i Marc Ravalomanana, dia hijoro hanao izay fomba rehetra hifanandrinana mivantana na ankolaka aminy i Andry Rajoelina, ary samy maneho fa mbola manana ny tanjany ara-politika. Miverina ho kianjan’ady indray Antananarivo, ary heverina fa nahafahan’ny TIM nanamafy ny heriny eto ny fifidianana solombavambahoaka farany teo izay nanjakany tamin’ny ankampobeny. Tsy midika ihany koa fa hanaiky mora an’izany ny eo amin’ny Fitondrana izay nampiasa ny volany, ny don-tandroka, ny kajikajy samihafa,… hatramin’izay. Hampiverina ny hetsika fiarovana ny safidim-bahoaka toy ny tamin’ny 2001-2002 ve ? Hampiverina ihany koa ny 2007-2009 fa ny toerana no mifamadika ? Misogadina hatrany aloha hatreto ny fifanandrinana eo amin’ny hery politika roa ary io mihamafy amin’ny fifidianana ben’ny tanàna io indray. Mety hisy ve ny olom-baovao hipoitra afaka mamafa an’izay sary politika niainana tao anatin’ny 20 taona izay sa mbola io no hamaritra ny 10 taona ho avy ? Na inona na inona hiseho, dia heverina fa hafa mihitsy ary tena stratejika be ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy eo, ary mety hanana endrika fifidianana filoham-pirenena kely mihitsy, hamaritra ny ho avy politika ka samy miandry izay ho fivoakany ny rehetra !
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka