airtel

Politique

24-sept-2024

Fifidianana eto Antananarivo

Tojo Ravalomanana no ho kandidan’ny TIM…

Sample post image

Andrasana ato anatin’ny roa andro farany ny fanapahan-kevitry ny Antoko TIM taorian’ny kenda

24-sept-2024

roroka natao tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay nobahanan’ny OVEC, CENI, Fitsarana, Fanjakana. Ny Filoha teo aloha izay nanitrikitrika ny sabotsy lasa teo fa tsy maintsy halain’izy ireo Antananarivo na inona na inona fanapahan-kevitry ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Amin’ny fomba ahoana ? Raha ny fantatra dia hanolotra kandida hafa hisolo an’i Marc Ravalomanana na « candidat de substitution » ny TIM. Anarana maro no efa nifamahofaho tao anatin’izany, fa raha ny no loharanom-baovao, dia i Tojo Ravalomanana zanaky ny filoha teo aloha lahiaivo no haroso ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Anarana efa nandeha teo aloha ny mety hanolorana an’i Maika Ravalomanana zanak’i ny Filoha teo aloha, saingy ny anaran’i Tojo Ravalomanana no nivoaka tao anatin’ny 24 ora farany. Ity farany hatreto no voalaza fa tsara toerana indrindra hisolo an-dRainy sy hitondra ny anaran’ny TIM amin’ny hazakazaka eto Antananarivo Renivohitra, raha ny loharanom-baovao hatrany. Andrasana ato anatin’ny 48ora anefa ny haha ofisialy an’io paikady faharoa na « plan B » ho an’ny TIM izay hampiteny ny anarana « Ravalomanana » io, raha ho tanteraka tokoa. Fanontaniana mbola mipetraka mantsy ny hoe : ho afaka hirotsaka malalaka tokoa ve ity farany sa mety hisy ny fahasarotana na koa ho tratry ny antsojay toa an-dRainy ? Ho tafapetraka ho ben’ny tanàna « Ravalomanana » fanintelony ve taorian’Atoa Marc Ravalomanana sy Rtoa Lalao Ravalomanana ? Raha toa tsy tafavoaka i Tojo Ravalomanana, dia anarana miisa 6 no re fa paikady fahatelo na «Plan C» manaraka an’ity zanaky ny Filoha teo aloha ity hosafidiana ho kandida, ka anisan’izany ny depiote Todisoa Andriamampandry, Hanitra Razafimanantsoa, Rina Randriamasinoro, Feno Ralambomanana,… Ny any amin’ny Antoko TIM izay fa andrasana ato anatin’ny 48 ora farany ihany koa ny firotsahan-kofidian’ireo kandida hafa satria hatramin’ny omaly dia tsy mbola nisy ankoatra ny an’ny lisitry ny kandida Marc Ravalomanana izay nolavina. Andrasana hoe : iza tokoa no ho kandidam-panjakana ? Iza no kandida tsy ampoizina mety hampitodika ny mason’Antananarivo?
Toky R
Légende : Ny fianankaviana Ravalomanana tafaverina avy any an-tsesin-tany ny 14 oktobra 2014
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap