any Frantsa no namoaka didy ihany koa ny fitsarana aty Madagasikara fa lavina ny fangatahan’ny kandida Marc Ravalomanana. Ny dikan’izany dia tsy afaka ny handray anjjara amin’ny fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ity filohampirenena teo aloha ity.
TSY MANAJA DEMOKRASIA
Nilaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany moa izy ary nitatitra izany ny filazam-baovao frantsay tamin’ny alalan’ny Rfi na Radio France Internationale. Toa nitombona ny tombatomban’ireo mpanarana akaiky ny raharaha politika sy ny fifandraisana iraisampirenena fa misy fifandraisany ny zavamisy any Frantsa sy eto Madagasikara, eny fa na dia tsy tena hoe hita taratra be mivandravandra aza. Tsotra ny fanazavana : na dia resy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao tany Frantsa ny volana jjolay lasa teo aza ireo mpomba ny filoha Macron na ny majorité présidentielle dia ry zareo ihany no maro an’isa ao anatin’ny governemanta, miaraka amin’ny hery ankavanana indrindra fa ny Les Républicains. Zara raha nahazo toerana iray ny hery ankavia, izay mpandresy anefa tamin’ny fifidianana. Tena sosotra ireto farany satria moa demokrasia parlemantera ny any Frantsa taahaka ny firenena mandroso maro ka tokony hoe izay hery politika mahazo vato betsaka indrindra amin’ny fifidianana solombavambahoaka izany no mitantana amin’ny alalan’ny governemanta, ka na ny praiminisitra na ny maro an’isa amin’ireo minisitra dia tokony avy amin’ny ilay antoko na vovonana politika nandresy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Nolalaovin’ny filoha Macron ny fotoana, navelany niandry 2 volana mihitsy aloha vao notendreny ny praiminisitra, izay efa tsy dia azoazon’ny hery ankavia ihany koa ; izay vao tonga ny governemanta.
MAFANA NY TONTOLO POLITIKA
Eto Madagasikara indray, nivandravandra be ny faharesen’ny kandidan’ny antokon’ny fitondrana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, anisan’ny tsy azo lavina tamin’ireny Antananarivo renivohitra, izay be mpifidy indrindra eto Madagasikara. Resin’ny Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny tsy miankina ny IRMAR. Raha ny lojika izany dia tsy olon’ny antoko eo amin’ny fitondrana mihitsy no ho lasa ben’ny tanàna eto fa na avy amin’ny mpanohitra , na avy amin’ny tsy mainkina. Iny hita omaly iny aloha fa efa izay no vita izany ho an’i Marc Ravalomanana sy ny TIM raha ny araka ny lalàna sy ny ara-panjakana no resahana. Tsy hay izay dingana hafa mety ho ataon’izy ireo izay tsy manaiky ny fanilihana an-dRavalomanana, fa ny tsapa aloha izany dia miditra anaty olana ara-politika indray i Madagasikara.Efa nitranga io tamin’ny herintaona mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ka nampiforona ny Collectifs des candidats. Zavatra efa nitranga io tamin’ny 2018 ka nampijoro ny vondron’ny depiote 73, tafiditra teny amin’ny kianan’ny 13 mey ka nitarika ny firodanan’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Efa tena miakatra izany aloha ny maripana eo amin’ny tontolo politika.
SOSIALY MANEMPOTRA VAHOAKA
Etsy ankilan’izay, potika ny fihariana, miha sarotra ny fiainana andavanandro noho ny olana eo amin’ny herinaratra sy ny rano. Na any an-tokantrano na any amin’ny toeram-piasana dia mahita faisana avokoa noho ny tsy fisiana vahaolana mahomby sy maharitra momba ny JIrama. Ny filoham-pirenena dia toa mitatitra ny fahavoazana fotsiny, ary nanamafy fa tena manao varotra fatiantoka isan’andro ny jirama .Herinaratra andaniana 1200 ariary isaky ny kwh no amidy 400 ariary . Efa ho 10 taona izao no nandrenesana hoe hanorina tohadrano lehibe hanaovana famokarana herinaratra avy amin’ny rano toa ny any Sahofika sy Ivolobe. Fa mbola delestazy aloha no tena misy isan’andro. Distrika 47 manerana ny nosy no hoe ametrahana toeram-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Resaka aloha no betsaka hatreto fa ny asa tena faran’izay maivana. Taona 2018 nolazaina fa ampitomboina avo roa heny ny vokatra angovo eto ka ilay 400 MW ho lasa 800 MW.Ny nitranga anefa dia nihena indray aza ilay 400 MW. Mbola eo ny tsy fandriampahalemana, ny fahalafosan’ny vidin’entana eny an-tsena ; mitady ho lasa haingitraingitra ny fampianaran-janaka satria maro ireo ray aman-dreny tsy mahatakatra intsony vola ilaina rehefa hampiana-janaka. Izany rehetra izany dia karazana singa ahiana hitarika fipoahana sosialy sy krizy eto amin’ny firenena. Tsy hoe tsy miasa ny fitondram-panjakana, fa mety ilay asa mihitsy no tsy hainy, hoy ny raim-pianakaviana iray. Ny dikan’izany dia tsy misy vahaolana mahomby azo antenaina raha mbola tahaka izao foana ny fomba fitantanana sy fisafidianana ny laharampahamehana, dia lasa mpanjifa mihinana ny vokatry ny hafa sy ataon’ny olona fakana tombony fotsiny ilay Malagasy fa tsy mety manana ny azy manokana mihitsy, tsy mety mahaleotena. Ny vary foto-tsakafo aza moa mbola misy afarana avy any ivelany.
RTT
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…