ka manao tan-tsoroka sy manampy ary manaraka ireo dosie samihafa ny Ivotoeran’ny fahamarinana izay miara-miasa amin’i Tahina Razafinjoelina. Handray an-tànana sy tena hiady manoloana ireo hosoka, hala-bato nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna teo, raha ny fanazavana nentin’ny Mpahay lalàna Vola Ramanamizao omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8. Efa maro ny fitarainana voaray nandritra ny fampielezan-kevitra fa indrindra tamin’ny androm-pifidianana. Nahitsy Rtoa Vola Ramanamizao nilaza fa betsaka ny fanodinkodinana vato, herisetra tamin’ny delegen’ny kandida, ankoatra ny filazana fa kandidam-panjakana ka apetraka amin’ny CENI ny resaka fanarahan-dalàna. Voarara ny fampiasana ny fananam-panjakana sy ny fitondrana ny anarana kandidam-panjakana ka nihaino fotsiny ny CENI sa handray andraikitra fa tena fandikan-dalàna iny satria tokony hitovy ny kandida rehetra, ka midika ve fa na inona na inona, na ho vy na ho vato vato, dia tsy maintsy lany ny kandidam-panjakana, hoy ity mpahay lalàna ity. Nahitsy noho izany ny tenany naneho fa niteraka savorovoro izany toy ny tranga teny Anosibe, nampiasaina ny mpitandro ny filaminana nomena « ordre de mission » ka hanao iraka hifidy ve izany ? Nisy fiara nitety birao fandatsaham-bato nahitana olona maro nokaramaina hifidy, ny « ordonnance » Rakotoarisoa Augustin ny anaran’ilay olona, tsy misy ray dia ny reniny Augustin ka mitombina ve izany kanefa be dia ben y ohatr’izany. Ny teny Anosizato dia ny tenako mihitsy no mijoro vavolombelona fa dia ny sefom-pokontany mihitsy no nibaiko teny amin’ireo Birao fandatsaham-bato teny Anosizato Atsinanana, nizara « ordonnance », ary manao ramatahora ny mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato rehetra izay nandalovany, hoy hatrany ny mpahay lalàna Vola Ramanamizao. Betsaka, hoy ity mpahay lalàna ity, ny ramatahora natao tamin’ny mpiara-belona, nisy ny norahonana ankolaka fa tsy mahazo « PV » fa tsy mandoa vola, nisy resaka niely na naely mihitsy fa na hisy ra mandriaka aza dia tsy maintsy lany ny kandidam-panjakana. Mangina ny CENI teo anatrehan’ny filazana hoe : kandidam-panjakana, ahoana izany governora,… ka rehefa iza dia mahazo ampiharina ny lalàna sy atao sambo-dokotra ary rehefa izy dia mahazo miteny sy tsara mpiaro ? hoy Rtoa Vola Ramanamizao nanamafy nanamafy fa tany tan-dalàna isika, kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny ireny ny zava-nisy. Noho ireny rehetra ireny, handray andraikitra amin’ny fitoriana sy hanome ny porofo rehetra ny Ivotoeran’ny fahamarinana.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Ny faran’ny taona 2018, rehefa nambara tamin’ny fombam-pitsaràna manetriketrika tao