airtel

Politique

09-août-2024

Fifidianana kaominaly

Notazomina ny datin’ny 11 desambra

Sample post image

Raha ny tatitra momba ny filankevitry ny governemanta tontosa ny 6 aogositra 2024

09-août-2024

teo aloha izany dia notazomina ny datin’ny 11 desambra 2024 hanatontosana ny fifidianana kaominaly eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara. Voaresaka tao anatin’izany moa ny fampiharana ireo didim-panjakana maromaro avy eo anivon’ny minisiteran’ny atitany toy ny mikasika ny anto-bola ho an’ny lisitr’ireo kandida hahafahana manonta ireo biletam-pifidianana sy ny mikasika ny fahafaha-mamerina ny lany ho an’ireo kandida. Eo koa ny didim-pitondrana mikasika fampiantsoana mpifidy, ny mikasika ny fikarakarana izany fifidianana kaominaly sy monisipaly izany, ny mikasika ny antotan-taratasy tokony ho fenoin’ireo kandida. Manoloana ny zava-misy, toy ny mbola tsy fitsanganana araka ny tokony ho izy ny governemanta Ntsay nefa moa, dia mipetraka ihany ny fanontaniana, eny fa na dia didim-pitondrana aza no nivoaka, hoe tena ho voatazona hatramin’ny farany ve ny daty sa mbola mety hisy fihemorany ihany? Mbola mampametra-panontaniana etsy ankilan’izay foana koa ny mikasika ireo vary mangatsiaka momba ity fifidianana kaominaly ity, izany hoe ireo kaominina sasany izay tsy nanatontosana izany fifidianana ben’ny tanàna izany mihitsy hatramin’ny farany. Navela tamin’izay toe-draharaha nisy azy izay hatramin’ny farany tokoa ve moa izany izy ireny? Ho hita eo indray ny tohiny mandra-piverin’ny filoham-pirenena nandeha nitsangatsangana any nefa ny eto ambony ambany, hoy ny fomba filazan’ny mpanao politika sasany azy tato ho ato izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap