airtel

Politique

29-août-2024

Fifidianana

Manomboka sahady ny fifandranitana…

Sample post image

Niroso tamin’ny dingana ifanakalozan-kevitra ny CENI sy ireo mpisehatra ara-pifidianana omaly teny Alarobia.

29-août-2024

Saika nitsikera ireo lesoka sy zava-nisy nandritra ny fifidianana lasa teo avokoa ireo antoko-politika, ireo firaisamonim-pirenena, ireo olon-tsotra tonga nanatrika. Dingana voalohany amin’ny fanomanana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly tanterahan’ny CENI izy ity ho firosoana amin’ny vina napetraka dia ny ho “fifidianana tsara omana, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny filaminana”, araka ny nambaran’ny Filohany Atoa Dama Andrianarisedo.

INONA NO ANDRAIKITRA NORAISINA TAMIN’IREO FANDIKAN-DALANA ?
Nahitsy ny avy amin’ny fanoherana nilaza, fa tsy nisy ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Hatramin’ny tranom-panjakana aza nisy nivadika ho foiben-toeran’ny kandida na « QG », ny mpiasam-panjakana nisy nanao propagandin’ny kandidam-panjakana,… Ireo no isan’ny natsikafon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Rivo Rakotovao izay nametra-panontaniana tamin’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana Naina Andriantsitohaina izay efa minisitry ny atitany mpisolo toerana nandritra ny fifidianana omaly teny amin’ny CENI Alarobia. Notsikafoniny fa tsy nisy fandraisan’andraikitra manoloana an’ireny fandikan-dalàna samihafa ireny. Nitory izahay mpanohitra fa mba manao ahoana ary androany ny valin’ireny tsy fanarahan-dalàna ireny ? Ny CENI inona no mba noteneniny sy azony noraisina sy hanatsarana izany satria noviravirain’ireo olona ireo ny fifidianana ? hoy i Rivo Rakotovao.

« MAMO MIANTSO POLISY NY FANOHERANA »
Namaly bontana sy toa voa mainka nandrehitra afo kosa ny Minisitry ny fanajariana ny tany izay minisitry ny atitany mpisolo toerana nandritra ny fifidianana Atoa Naina Andriantsitohaina, ka nilaza fa rehefa jerena dia tsy voatery ho kandida mpiara-dia amin’ny fitondrana no nampiasa ireo mpisam-panjakana tany ifotony fa misy avy eo amin’ny mpanohitra, ka nilaza fa mamo miantso polisy ny mpanohitra. « Ny hita tany ifotony tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo dia tsy araka ny fahitan’ny besinimaro azy hoe : iza no mampiasa ny delegem-panjakana sy ny sisa, ka tsy voatery ho ka tsy voatery ho kandidam-panjakana, ary izay mihitsy no tsapako nandritra izay, fa ny fiainana moa mivadibadika ka androany mety mpitondra Fanjakana, rahampitso manohitra, fa politika izany, fa ohatran’ny mamo miantso polisy ihany », hoy i Naina Andriantsitohaina, toa vao mainka nandranitra ny mpanohitra.

ANDROANY IANAREO MITONDRA FA RAHAMPITSO METY HO MPANOHITRA
Ho an’i Marc Ravalomanana, dia nankasitraka ny CENI, ka nilaza fa tonga satria amin’ny maha mpanohitra, ary nanambara ampahibemaso indray fa handray anjara feno amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina. Manamafy ny fitakiana fifidianana mangarahara, madio, milamina, tsy misy fanilikilihana,… satria izay no antoka hisian’ny filaminana. Mitaky fandraisana andrakitra avy amin’ny CENI, governemanta, Fitsarana mahefa, ka ampy izay ny hosoka sy hala-bato, raha ny nambaran’ity farany. « Androany ianareo mitondra, fa rahampitso mety ho mpanohitra », hoy kosa i Marc Ravalomanana mantsy ny Minisitry ny fanajariana ny tany Naina Andriantsitohaina. Asa hanao ahoana ny fizotry ny fifidianana, fa somary mafampana sahady aty am-piandohana ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

21-nov-2024

Hivoaka amin’ny fahanginany hatramin’izay i Tahina Razafinjoelina, ka nanambara omaly fa hamoaka ireo

Card image cap
20-nov-2024

Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,

Card image cap
20-nov-2024

Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,

Card image cap
20-nov-2024

tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina

Card image cap
20-nov-2024

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

Card image cap
20-nov-2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Card image cap