airtel

Politique

30-mai-2024

Fifidianana solombavambahoaka

Betsaka ny trangana hala-bato, hosoka, teti-dratsy,…

Sample post image

Araka ny efa nampoizina, nizotra tao anatin’ny ahiahy sy lonilony ny fifidianana omaly

30-mai-2024

tamin’ny ankampobeny. Betsaka ireo tranga mamohehitra sarona, niendrika hala-bato sy hosoka samihafa. Saika ny kandidam-panjakana avokoa tamin’ny ankampobeny no nokendrena homena vahana tao anatin’ireo. Maro ireo endrika nisehoany, ary saika nahitana toe-javatra tahaka izany ny ankamaroan’ny faritra manerana ny Nosy. Nisy ireo fitanana an-tsoratra efa vita sonia fa tsy mbola misy soratra ao anatiny, izay ahiana ho tetika hoenti-manova ny tena voka-pifidianana amin’ny alalan’ny fanoloana ny fitanana an-tsoratra na PV (Procès Verbaux) tena izy, ka anisan’ny nahitana izany ny Birao fandatsaham-bato 12, 14, 15,16 teny Tsimbazaza raha ny fanamarihana. Nahitana tahaka an’io ihany koa teny Amboditsiry. Tao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, nansain’ny Lehiben’ny Birao fandatsaham-bato nanasonia PV avokoa ny delege sy mpikambana amin’ny Birao fandatsaham-bato, kanefa ny fifidianana mbola tsy vita. Tahaka izany ihany koa ny teny Amboaroy Alasora, ka nilaza fa handefa PV vaovao mbola tsy misy sonia ho solon’ireo PV efa nisy sonia teo aloha ny Solontenan’ny CENI. Hivoaka ve ny marina hoe : firy ny taratasy fanaovana PV teo anivon’ny CENI dia firy no nampiasaina ? Teny Anosizato Atsinanana, dia voalaza fa nisy olona mamo nitondra dika mitovina karapanondro hifidy, izay tsy neken’ny mpikamban’ny birao . Teny amin’ny EPP Ankorondrano, nisy ihany koa ny fahatrarana mpividy olona. Teny Anosibe, nisy ny olona saika norotahan’ny vahoaka satria nahatrarana kara-pifidianana maro be. Tetsy Ivandry anatin’ny Boriborintany V indray, nisy mpifidy efa nisy nanasonia teo amin’ny tandrifiny, izay ahiana ho teti-dratsy hoenti-mampandresy kandida hafa, misy mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa satria mety noheverina fa tsy ho tonga ny tena tompon’anarana. Ho an’ny boriborintany I teny amin’ny EPP Antetezanafovoany, nisy ihany koa ny fahatrarana olona manana kara-pifidianana kanefa tsy anaty lisi-pifidianana, ary tranga maromaro mihitsy no hita, hoy ny fanamarihana. Tetsy Antanifotsy Vakinankaratra, dia nisy olona tratra nanao toromarika momba ny latsa-bato tao Manaotsara, ka niteraka savorovoro. Tonga ara-potoana ny vadin-tany na « huissier » nalain’ny vovonan’ny antoko mpanohitra nanao ny asa araka ny lalàna nirakitra ny zava-misy. Tao Tsiroanomandidy ihany koa dia voalazafa nisy bileta tokana nanjavona, fa nisy nitondra. Nisy ihany koa ny fampidirana tsirairay ireo olona naka kara-pifidianana tao amin’ny sefom-pokontany, raha tokony ho natao tety ivelany, hoy ny fanamarihana. Tany Ambano Antsirabe, dia misy « ordre de mission » ho an’ireo olona nandeha iraka ka any amin’ny distrika nandehanany no mifidy, ka iray nampiasaina nahafahan’ny olona 6 nifandimby nandeha nifidy.
TSY TETO AMIN’NY FARITANIN’ANTANANARIVO IHANY
Tany Sakalalina Ihosy, dia misy ny fanasisihana bileta manodidina ny 400 isa tao anaty vata, efa misy sonia ny boky ka ny sefom-pokontany sy ny delege no nahiana ho tompon’ny teti-dratsy. Tany Tanambao Sotema Mahajanga indray, tratra ny andian’olona mpizara vola hividianana safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny fanangonana karapanondro sy kara-pifidianana mialoha izay sandaina vola 5000Ar isan’olona, entina hanerena olona handatsa-bato sy hanodinkodinana safidim-bahoaka. Tany Ambovombe, tsy navela nanao ny asany ny Delegen’ny Firaisankina sady mbola voadaroka, ka voatery naiditra hopitaly. Mpanohana kandida iray tratra ambodiomby nitondra kara-pifidianana efa ho 40 isa tany Andapa. Tany Toliara, tao amin’ny biraom-pifidianana ao amin’ny EPP Tsimenatsy, mpianatra iray avy ao amin’ny Oniversiten’i Maninday no voalaza fa tra-tehaky ny mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato, ka mpampianatra ao amin’ny Oniversite no voalaza fa nizara ireo kara-pifidianana ary mpianatra maherin’ny 1000 no voalaza fa tafiditra ao anatin’ny raharaha. Tao Ambohitsabo Toliara, dia nisy renim-pianankaviana nitaraina fa nahazo kara-pifidianana kanefa tsy tao anaty lisitra. Lisitra hafa mihitsy ve izany no nampiasaina mba hanomezana tombondahiny ny kandida tiana hatosika sy hanamorana ny hosoka ? Nisy ihany koa tranga fivoahana na famoahana ireo mpikamban’ny delege tao Safily Lycée Laurent Botokely, ka ny olon’ny CENI sy delegena kandida iray sisa tavela tao. Na tamin’ny faritry ny renivohitra na an-drenivohitra, dia nahitana tranga mampiahiahy avokoa, izay taratry ny fahalotoan’ny fifidianana. Ampahany amin’ireo sarona sy tranga niteraka ahiahy ireny, fa ahiana ho nahafaobe na « généralisé » ny hosoka sy hala-bato.
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap