airtel

Politique

26-sept-2024

Fifidianana stratejika indrindra

Anio mifankahita ho an’Antananarivo !

Sample post image

Ho fantatra anio ireo « surprise » na zavatra tsy ampoizina mikasika ny firotsahan-kofidiana ben’ny tanàna,

26-sept-2024

indrindra fa ny eto Antananarivo Renivohitra sy ireo renivohi-paritany na tanàn-dehibe hafa, izay isan’ny andrasan’ny besinimaro. Lokan’ady politika ary stratejika be ny eto Antananarivo ka andrasan’ny rehetra hatramin’ny anio hoe : iza avy marina no hifaninana taorian’ny resabe sy toe-draharaha nafampana? Iza no kandida avy amin’ny fanoherana ? Iza no kandidam-panjakana ? Iza no mety afaka hitondra fijery vaovao afaka hampiombona ny rehetra sy hitondra ainga vao ho an’ny Renivohitr’i Madagasikara ? Kandida roa no efa fantatra satria hanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany i Tahina Razafinjoelina izay efa kandida filoham-pirenena farany teo, nirotsaka Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara,… Mametraka ny tetikadiny ny antokon’ny Fanjakana, fa mikofokofoka mafy hitazona ny fandresena tamin’ireo renivohi-paritany 6 tamin’ny 5 nandritra ny fifidianana depiote ihany koa ny antoko sy vovonan’ny fanoherana na ny tsy miankina ivelan’ny fitondrana.
Ho an’ny ao Toamasina, efa tafapetraka ny firotsahan-kofidian’ny kandida Roland Ratsiraka izay avy amin’ny Vovonana Kolekitifan’ny Malagasy na nisy aza ny endrika antsojay, ary nanaposahany ny ahiahy samihafa. Depiote am-perin’asa izay nitana ny laharana voalohany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Ny any Mahajanga, efa tafapetraka ihany koa ny dosien’Atoa Rivo Rakotovao Filoham-panjakana teo aloha, kandida naroson’ny Vovonana Firaisankina, ka na eo aza ny tsy fitovian-kevitra ka kandida toa olon’ny volomboasary no aroson’ny mpiray vovonana tsy mitovy tsy manaiky azy,... Isan’ny kandida heverina fa hanana ny tanjany ihany koa Atoa Patrick Raharimanana na teo aza ny fanamelohana ara-pitsarana natao azy sazy mihantana nanaovany fampiakarana ka mbola tsy mihatra. Ny any Toliara, mandeha ihany koa ny endrika kilalao politika amin’ny fampiasana ireo olona niaraka tamin’ny fanoherana teo aloha toy ny mpandrindra ny KMMR dia ny Kolonely Rabe Jules nanohana an’i Marc Ravalomanana teo aloha, saingy toa lasa niray latabatra amin’ny volomboasary nandrotsaka an-dRabehaja Jean. Andrasana ny kandidan’ny fanoherana ao Toliara, fa raha ny sary tamin’ny fifidianana depiote farany teo, dia nitarika tamin’ny elanelam-bato lavitra ny Firaisankina tamin’ny alalan’i Siteny Randrianasoloniaiko. Asa hanao ahoana ny ao Antsiranana teo anatrehan’ny fanamelohana ny ben’ny tanàna am-perin’asa,…
SAROTRA NY TOERAN’IREO KANDIDAM-PANJAKANA…
Tsy an-tanàn-dehibe fa na amin’ireo kaominina manerana ny Nosy aza dia betsaka no manana herijika, raha tena madio ny fifidianana. Antony ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny. Efa somary ratsy endrika, ratsy laza eo imason'ny olona rahateo ireo kandidam-panjakana noho ny fahatsapana fa tsy nahavaha ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fitondrana volomboasary, ka porofo mivaingana io zava-misy eto Antananarivo izay fitaratry ny firenena io, izay potika sy mikorontana ambony ambany, ankoatra ny delestazy sy olana samihafa mitombo andro aman’alina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap