airtel

Politique

11-sept-2024

Fifidianana sy fiaraha-miasa

Hitondra tan-tsoroka hatrany ny PNUD

Sample post image

Nihaona tamin’ny CENI tamin’ny alalan’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana ny solontena maharitra

11-sept-2024

vaovaon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana iraisam-pirenena na ny PNUD eto Madagasikara Atoa Edouard Christophe omaly 10 septambra, raha ny fampitam-baovaon’io Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana io. Fihaonana ara-pomba fifanajana, saingy tsy nitondra tanam-polo io diplaomaty io fa nitondra ireo hevitra efa notovoziny nandritra ny fotoana nahafantarany fa hiasa eto Madagasikara izy, hoy ny Mpampaka-tenin’ny CENI Atoa Soava Andriamarotafika. Nanao fanadihadiana tetsy sy teroa momba ny fiaraha-miasa, ka nilazan’ny CENI fa naneho ny fahafaham-pony tamin’ny fiaraha-miasan’ny PNUD tamin’io rafitra io, ka niarahabana io Vaomiera io ny amin’ny fahaiza-manao sy fahafehezana ny raharaham-pifidianana izay tao anatin’ny herintaona dia nahavitana fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka, ary hiroso amin’ny ben’ny tanàna. Nambara fa vonona tanteraka amin’ny fiaraha-miasa sy tan-tsoroka amin’ny raharaham-pifidianana. Hisy noho izany ny karazana komity manokana na « comité de pilotage » hamariparitana ireo zavatra heverina fa zavatra maika tokony hahafahana mifanome tànana eo amin’ny CENI sy ny PNUD, fa eo ihany koa ireo vinavinan’asa lavitr’ezaka izay efa tokony hofaritana sahady, raha ny tatitry ny fihaonana hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap