airtel

Politique

29-août-2023

Fikambanana VTM

“Aoka izay ny famerenana fitondrana kitoatoa!”

Sample post image

Niezaka nitety distrika miisa 68 ny Vondron’ny tanora malagasy na VTM, hoy ny fanambarana nataon’izy ireo tetsy Anosizato omaly.

29-août-2023

Voarakotra nametrahana ny ekipa, hoy izy ireo, ny distrika maro manerana an’i Madagasikara. Hisy ny fihaonambe ho tanterahana ny 8 sy 9 septambra izao izay hiakaran’ireo tanora mpikambana rehetra manerana ny nosy eto Antananarivo. Tsy takona afenina ny toe-draharaham-pirenena. Misy afera tsy mety tafapoitra ny tena marina aminy nefa henontsika matetika. Voatery handray andraikitra hampandany kandida ny VTM. Hiara-dia amin’ny kandida mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoroanay izahay. Hanohana kandida ary hanao ny ezaka manontolo hampandany izany kandida izany izahay! Tsy tia ny hiverenan’ny tranga anatin’ny fitantanan-draharaha ankehitriny intsony izahay. Teboka miisa 13 no heno tamin’ny fampielezan-kevitra saingy eto Anosizato izao hatreto tsy mbola misy izany tetezana miantona na lalana maro zotra, izany hoe “flyover” izany. Mbola tsy afaka ny fitohanana. Ilay volamena tanaty kaofra nosoloina vy, hatreto mbola tsy fantatra hoe aiza na ahoana ny mahakasika azy? Ny volamena hafa tratra tany ivelany koa toy izany. Tsy te hiverenan’ny kitoatoa toy izany intsony izahay. Tsy mahay mametraka laharam-pahamehana ny fitondrana ankehitriny fa fisehosehoana no maha maika azy. Mampikaikaika ny fampidirana mpianatra nefa teleferika no maha maika azy. Vola tokony hanampiana ny ray aman-dreny alefa any. Vola tokony hanarenana ny JIRAMA koa toy izany. Mijaly ny tanora manangana orinasa. Tsy te hiverina amin’ny kitoatoa hitantanana firenena intsony izahay, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap