Efa natonta ny bileta tokana, ary tokony ho efa vita, raha ny tetiandro nofaritan’ny CENI satria taorian’ny antsapaky ny filaharan’ny kandida ny 11 septambra teo, dia niazo an’I Afrika Atsimo avy hatrany ny avy amin’ny CENI tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Dama Andrianarisedo. Ity farany izay naneho, fa taorian’ny diany avy any fa misy singa tsirairay famantarana ny bileta tokana atonta ampiasaina amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Horaisam-potsiny, hoy izy, izay mikasa hanao hosoka satria efa misy fepetra sy antoka tsy hafahafana manao izany, antony nandehany tany Afrika Atsimo. Horaisim-potsiny izay manonta bileta ivelan’ny natonta tany, saingy tsy afaka hilaza ny pitsopitsony sy marika manokana an’ireo bileta natontany ny CENI. Nambara fa mifandraika amin’ny isan’ny mpifidy 1143836 anaty rejisi-pifidianana, miampy ny bileta fiandry ireo bileta. Maka ampahany kely raha sanatria eny am-panaterana rendrika eny ambony lakana, misy “prevision” kely, tsy betsaka fa amin’izay antony manokana no hisian’izay, hoy ny Filohan’ny CENI. Tsy voalaza moa io hoe: firy marina? 1,3 tapitrisa sa 2 tapitrisa? Somary mampanahy ihany ny resaka fikirakirana ny biletam-pifidianana izay mety ho sarotra tokoa ny hanao bileta hosoka fa ireo bileta tena izy manao ahoana ny fangaraharana sao sanatria misy ampahany ho lasa any amina kandida hanaovana hala-bato? Ny kara-pifidianana ihany koa toa misy olana sy fahasarotana. Ny lisi-pifidianana betsaka ny ahiahy satria misy olom-pirenena mipetraka any ampitan-dranomasina, ohatra, nanome fanamarihana fa ny zanany efa maty mbola tafiditra ao anaty lisi-pifidianana fa ny mbola velona tokony hifidy latsaka. Tao ny nanamarika, fa ny mamany efa maty tamin’ny 2015 ary efa tsy tao anaty lisitra ny 2018 kanefa dia lasa ao anaty lisitra indray ny 2018. Misy ny manamarika fa tao anaty lisitra rehefa nijery tamin’ny alalan’ny teknolojia tamin’ny alalan’ny fitsidihana ny tranonkalan’ny CENI kanefa aty aoriana lasa tsy ao indray,… Endrika maneho izany, fa betsaka ny toe-javatra mampitombo ny ahiahy amin’izao fifidianana izao na ny ara-teknika na ny ara-politika. Ny mpikirakira sy mpikarakara ary ny mpitsara ny fifidianana rahateo io mbola mampiahiahy. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hananana antoka 100% fa tsy hiandany amin’ny kandida Rajoelina ny governemanta izay izy no niaro an’ireo rehefa naongan’ny depiote tamin’ny desambra 2022?
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…