airtel

Politique

01-oct-2024

Politique

Filohan’ny Antoko Tia Tanindrazana «Tsy fitadiavam-bola io, tsy izahay no nivadika, aza resin’ny hakiviana !»

Sample post image

Fanompoana ny fanaovana politika fa tsy fivelomana, ka ny olona rehetra dia tokony hanompo firenena.

01-oct-2024

Manana ny asantsika ary tsy miambo fa mahavelona antsika, fa ny fanaovana politika dia fanompoana sy fandavan-tena na « sacrifice », hoy i Tahina Razafinjoelina Filohan’ny Antoko Tia Tanindrazana. Izy izay nanamafy fa nanohitra foana nanomboka ny 2009, tsy resaka olona, tsy resaka mpitantana, fa hoe : mitondra any amin’ny fampandrosoana ve izany vina izany ? Ny jiro sy rano ohatra, moa manana politika ve izao fitondrana izao ? Notsipihany fa tena ilaina ny fanabeazana, ary hobeazina ny rehetra, lasa manao politikan’ny « médiocrité » isika ka ny efa tsy mety ihany no tohizana. Notsoriny moa fa manahirana ny politika eto, ka ny lafiny fanoherana dia nambarany fa matoa lany 100% ny birao tao amin’ny Antenimierampirenena, dia misy antony izany. Misy amin’ireo niara-dia tamintsika hoe : izahay izao ! Jereo tsara hoe iza no nivadika, ary iza no nitazona ny teny nomeny. Tena nisy nivadika, miresaka ireo ary mifanaraka mihitsy fa tsy afaka miteny hoe : iza na iza, hoy ity mpanao politika isan’ny nandrotsaka antontan-taratasy hofidiana ben’ny tanànan’Antananarivo ity. Misy ny miteny aty aminay hoe : iza no nivadika, ka tsy izahay no nivadika, hoy i Tahina Razafinjoelina. Ny ahiahy tsy hihavanana, fa na izany na tsy izany dia nomarihiny fa mila mifampatoky, saingy very ny fifampitokisan’ny samy Malagasy, izay tena mamotika ny Firenena. « Lazaina fa voa izahay, fa tsy maninona. Izahay manana isa ivelomanay, fa tsy mivelona amin’ny politika. Ny marina dia ampy ahitana ny soa. Ny tsy tiako dia aza tenenina mivadika aho, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina nampahatsiahy, fa ny 2009 ohatra dia nisy may ny orinasa, tany amiko no nanonta ny gazety volana maromaro, tsy nitakiana na Ariary aza. Ny 2018 dia hoe : andao indray, andao hampiana sao izany no hahatafita ny firenena. Dia ireny teny amin’ny Antenimierampirenena. Ny nahavoa antsika hatramin’izay dia hoe : misy olona mpitarika antsika noheveritsika hanohitra, fa avy eo ianareo miresaka ihany. Aza lazaina fa mivadika aho fa sao dia miverina any aminareo ilay izy, hoy ity farany. Isan’ny notsiahiviny, fa tao anatin’ny hetsika fotsy ohatra, dia nifampiteny izao hoe : raha misy kandida amintsika ireto dia ampiantsika fa tsy hisy mpifaninana. Jereo ny tao Toamasina, dia jereo ny tao Avaradrano. Na izany aza, ny asa no handaniako ny fotoana raha ekena soa aman-tsara ny firotsahan-kofidiana, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Notsipihiny kosa fa ny hiteny hoe misy nenina dia tsy fiteniny izay. Matoa tonga amin’ny toerana iray ny fifandraisana iray dia izay ny sitrany. Misy zavatra miseho eo, miezaka manao ny tsara, fa raha mihoatra amin’ireo nohasoaviko nanomboka ny 1999 dia sao dia mba mifamadika ilay izy fa mba nisy ve ny hoe : inona no azo hanampiana an’i Tahina ? hoy hatrany izy.

Ny olona manakivy, tsy maintsy misy hiteny foana, ka raha izay fitenin’ny olona hoe : tsy ho afaka amin’ny TIM na TGV dia tsy handroso ianao. Tsy misy mpandresy fa ny fahantrana no mpandresy ! Tsy ny resy sy ny maheresy no zava-dehibe, ny fahantrana no mandresy, ny fifampihantsiana no mandresy, ka ajanony ny fifaninanan’ny samy Malagasy fa andao hifanampy, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap