airtel

Politique

12-avril-2024

Firaisamonim-pirenena

« Toherinay ny didy jadona sy ny valifaty politika »

Sample post image

Notsikafonin’ny Firaisamonim-pirenena heveriny fa didy jadona sy fanitsakitsahana ny :

12-avril-2024

lalàmpanorenana, demokrasia, ny soatoavina Repoblikanina, ka anisan’ireny ny fanonganana sy fanalana ny maha-olom-boafidy an’ireo filohan’ny Antenimiera roa. Voazimbazimba ny fisaraham-pahefana, natao fitaovana ny HCC kanefa raha misy disadisa anatiny eny amin’ny antenimierampirenena, dia ny antanan-tohatra voafaritry ny lalàna miainga amin’ny fitsipika anatiny, ny lalàmpanorenana,… ka manova ny endriky ny HCC ny zava-misy. Na dia voarakitra anaty lalàna ary ireo karazana dingana ireo, hoy ny fanambarana, dia marihina fa ny fanamorana sy hafainganan`ny fanalàna ireo lehibena andrim-panjakana amin’ny asany ireo dia mampanahy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Araky ny lalan-tsain’ny andininy faha-72 ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna fototra eo amin’ny firenena Afrikana maro, ny fanonganana dia sazy napetraka mba hialàna amin’ny fivadibadihana ara-politika. Izany anefa tsy manakana ny fisian’ny fisitahana ara-ideolojika, satria ao amin’ny andininy faha-25 amin’ny lalàna laharana 2011-012 mikasika ny antoko politika dia mahazo miova ho tsy miankina izay tsy manaiky intsony ny firehan-kevitra politikan`ny antoko nisy azy, hatramin’ny fifaran’ny fotoam-piasany. Nampaneno lakolosy ary mitaky ny hanatsaharana ny antsojay politika samihafa izy ireo,… Nampahatsiahy sy namerina ireo tolo-kevitra, toy ny fametrahana sehatra fifampidinihina mitohy mba hisian’ny fifampitokisana hiatrehana ny fifidianana mbola ho avy rehetra; fanamafisana ny fahaleovantenan’ny fitsarana, indrindra amin’ny resaka fifidianana; ny fametrahana ny sazy noho ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny vola lany amin’ny fifidianana ; Ny fametrahana ny "Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée" (ANRCM); Ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana faha 60-082 amin’ny 08/13/60 hanalalahana ny fivoriam-bahoaka sy ny fihetsiketsehana eny amin’ny lalam-bahoaka; ny fampiatoana avy hatrany ny antsonjay politika,..
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap