airtel

Politique

23-août-2023

Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

Efa mampihatra ny fampandraisana andraikitra isam-paritra

Sample post image

Toy ny tao Antsirabe, dia efa misokatra ihany koa ny foiben-toeran'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana any amin'ny faritra hafa toa an'i Fianarantsoa,

23-août-2023

Ambositra, Fandrina, Amparafaravola, Mahajanga, Toamasina,...sns Misy solosaina maro sy efitrano fampiofanana nomerika izy ireo, mandray ireo tanora sy izay liana ka maniry hanovo fahalalana ary hifampizara ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny vovonana.Anisan’ny hanofanana ireo izay rehetra tonga ao ohatra ny mikasika ny fiompiana kisoa, akoho, trondro . Ny fambolena tsaramaso, fambolena vary amin' ny toerana tsara rano, fambolena amin'ny toerana ratsy rano, fambolena katsaka, fiompiana omby vavy be ronono, fanamboarana fromazy, fanamboarana pâte jaune , fanamboarana vinaigre de cidre,… Fa misy ihany koa ny fampianarana teny Anglisy isaky ny seha-pihariana. Tsy adino ny fampianarana informatique bureautique sy resaka community manager izay mahaliana tokoa ny tanora amin’izao fotoana. Marihana fa maimaimpoana ny fiofanana.
MILA MAHALALA NY TANINY SY NY HARENY NY MALAGASY
Mifandray tanteraka eto ireo vina 3 ijoroan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana izay tarihin’i Tahina Razafinjoelina dia ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana/fitsinjaram-bola, sy ny momba ny Nomerika. Zaraina amin’ny mpiray tanindrazana isam-paritra ny zava-drehetra tsara ho fantany momba ny faritra misy azy,tohanana ara-pitaovana izy amin’izany ary efa miasa ny teknolojia. Mila mahalala ny taniny sy ny harena misy ao aminy ny Malagasy ary mila manana ny fahaizana hahafahana mitrandraka izany.
FANOHIZANA NY AZA EFA NATOMBOKA
Tsy hoe fampanantenana fa fanohizana ny asa efa natomboka no ataon’ny firaisankinan’ny Tia Tanindrazana raha ireo zava-misy ireo ary efa tsinjo sahady ny fampandraisana andraikitra isam-paritra. Ny olona ao amin'ny faritra, miaina ao amin'io faritra io no tena mahalala ny zavamisy sy ny olana ao, manana ny hetahetany sy izay heveriny fa hamahana ny olana sy hampivoarana ny fiainany ihany koa izy. Miara-dalana amin'ny fitsinjaram-pahefana ny fitsinjarana fitaovana sy fahalalana ary traikefa.Izany no zavatra entin'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana hanampiana ny Malagasy.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap