raha ny fihetsika politika miseho lany hatrany na dia ny tato ho ato ihany aza. Tsy iverenana resahina intsony akory ny dosie nivoaka mikasika ny fiofoan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ho frantsay manontolo na ilay antsoina hoe «naturalisation» ny taona 2023. Nandalo vao haingana iny ny fahafaham-barakan’ny firenena raha na ny atsasak’ireo mpikamban’ny SADC na ilay rafitra ifanakalozana ara-barotra aty atsimon’i Afrika izay ho tarihin’ny filoham-pirenena malagasy afaka 2 volana aza tsy nifidy ny kandida natolony hitarika ny CUA na Kaomisionin’ny vondrona afrikanina ny ankamaroany. Kandida laharana faha 3 tamin’ireo miisa 3 nifaninana ny kandidà malagasy. Ny fifandimbiasam-pitantanana eo amin’ireo firenena miisa 16 mikambana ao anatin’izany SADC izany koa moa no lazaina fa fandresena ara-diplaomatika rehefa tonga ny anjaran’ilay firenena malagasy. Io indray izao fa miteraka resabe ny fahazoana ilay amboara maha mpitarika mahay izay nifaninanana tamina firenena manana mponina miisa 100.000 teo monja sy firenena anatina ady. Izany hoe tsy ho lojika mihitsy ireo firenena ireo handresy ny vato omen’ny firenena manana mponina miisa 28 tapitrisa eo na dia andeha tombanana hoe 280.000 any fotsiny aza, ohatra, no isan’ny mpanohana ilay fitondràna ao. Iny indray koa izany izao fa vaky ambatolampy ihany hoe tsy nahazo fankatoavana indray ilay Kianja Barea Mahamasina izay nasolo ny kianjaben’i Mahamasina fahiny. Ny teny nomena maro be tsy tanteraka hatramin’ny taona 2018 tsy tanisaina intsony na ny resaka trano fonenana miisa 50.000 io na ny tanàna vaovao na ny Fly over sy ny hafa maro tsy voatanisa. Asa hoe inona indray no hampanongo tena amin’ny maha olompirenena manaraka!
J. Mirija
Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,
Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,