airtel

Politique

26-août-2024

Firenena miha potika andro aman’alina

Na ireo olon’ny 2009 aza miaiky fa tsy izy intsony izao !

Sample post image

Miodinkodina ny politika eto Madagasikara, ka ny namana anio mety tsy ho namana rahampitso,

26-août-2024

ary ny mpifanandrina omaly mety ho mpiara-dia anio. 15 taona taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, ampangain’ny karatra hatrany ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Betsaka ny famotehana nentiny, izay tsy tafarina mandrak’androany, nikiky ny firenena ny fahalovana, ny kolikoly, ny fahapotehana na ara-materialy na ara-toe-tsaina,… Sarotra ny manarina azy, ary toa mitohy hatrany ny faharavana.
NANDISO FANANTENANA
Marina fa tantara efa lasa, saingy miharihary hatrany fa sarintsarina revolisionina niorina teo ambony fitaka sy tsy fahamarinana no nentina nambaboana ny vahoaka, ka dia iny toa navadiky ny Filoha iny indray ny resaka ny herinandro lasa teo hoe : marina fa mahantra ny Firenena saingy ny mpitondra ankehitriny ve no homena tsiny sa ny mpitondra nifanesy ? Betsaka amin’ireo mpiara-dia sy tena angady nanana ny 2009 no efa nivaky bantsilana fa diso làlana, tsy araka ny nifanarahana sy ny nampanantenaina ny vokatra nentiny ho an’ny Firenena. Nisy tamin’izy ireo no efa nodimandry toa an-dry Tompokalahy Jeneraly Noel Rakotondrasana, izay nanao ampamoaka mihitsy tany amin’ny taona 2018. Mbola betsaka ireo vavolombelon’ny tantara nahalala tsara ny ativilanin’ny 2009 no nisintaka tamin’i Andry Rajoelina hatry ny ela toa an-dry Kolonely Charles Andrianasoavina. Ry depiote Fidèle Razarapiera efa nivaky fa tsy azo omem-pahefana intsony Atoa Andry Rajoelina. Tahaka izany ihany koa ry Roland Ratsiraka izay nanapotsipotsitra ny endrika tsy fahaiza-mitantana samihafa, ny ampihimamba ara-toekerana,… Ry Hajo Andrianainarivelo, izay nisintaka tao anatin’ny Fitondrana, ary lasa mpifanandrina tamin’i Andry Rajoelina. Tsy noeritreretina mihitsy izany fialan-dRtoa Christine Razanamahasoa tao anatin’ny volomboasary izany, ary novakiany ankarihary fa tsy izao mihitsy no nifanarahana tamin’ny tolona 2009 satria amin’izao dia Firenena faran’izay mahantra i Madagasikara ka tsy izany no nampanantenaina. toy izany ihany koa ry Brunelle Razafitsiandraofa izay nanaovana fahirano politika, rehefa sahy nitsikera ny tsy fahombiazam-pitantanana, sahy nanatsikafona ny tsy fahaizana misafidy ny laharam-pahamehana,… Saika efa tsy dia hita taratra intsony ao anatin’ny Fitondrana ny ankamaroan’ireo olona angady nananana sy vy nahitan’i Andry Rajoelina ny 2009. Asa ireny olona ireny ve no tsy mahay miara-miasa aminy sa i Andry Rajoelina sy ny Fitondrany mihitsy no tsy mihaino sy tsy miraharaha ka betsaka ny sosotra sy manaja tena tsy te ho potika sy haloto ao anatin’ilay Fitondrana ?
IREO NAHITA TOMBOTSOA AZA KIVY MAINKA FA NY VAHOAKA !
Manombola misy ny manadiodio tena sy mitsikera ny olana sosialy toy depiote Naivo Raholdina izay nilaza fa ny olan’ny jiro sy rano mandavan-taona no nampihena ny vato azony. Ry Rtoa Rinah Rakotomanga io lasa kandida ben’ny tanàna ka milaza fa sady tsy miaraka no tsy manohitra an’ilay fitondrana,… Ny ao anaty governemanta, efa tsy ahitana ireo olona tena niara-dia tamin-dRajoelina hatrany am-piandohana intsony ! Misy amin’ireo mpanao politika avy niara-dia no mivaky bantsilana fa sarotsarotra atoro ny Filoham-pirenena ankehitriny, ary tsy mihaino firy. Betsaka ireo manam-pahaizana manana ny maha izy azy ao anaty Fanjakana no minia mangina sy manaraka am-bokony satria tsy te ho ratsy, te hitazona ny seza,… ary maro no mety afaka mitondra anjara biriky fa tsy te haloto ao. Ny mpanao politika sy manan-katao sy mety nahazo tombotsoa tao anatin’ny fitondrana aza ireny iaraha-mahita ireny ny fahadisoam-panantenany mainka fa ny vahoaka miaina ny krizy maro sosona sy ny fahantrana ateraky ny tsy fahaiza-mitantana. Na inona na inona antony dia miharihary aloha izao fa tena milentika ny Firenena, ary na ireo mpiara-dia nafana fo niaraka tamin’i Andry Rajoelina aza maro no miaiky fa tena potika rehefa ity farany no mahazo fahefana. Tsy resaka tsy fitiavana olona fa tena mbola misy azo antenaina ve amin’izao fitantanana izao ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap